mardi, décembre 12, 2023

ET SI MADAGASCAR N'EST PAS SI PAUVRE QUE CELA

 L'argent permet-il de mesurer la pauvreté ?

Non - bien que la richesse le serait tout à fait. Dans tous les pays industrialisés très développés, il existe une bureaucratie très développée avec un système financier et fiscal qui est arrivé à maturité au cours de nombreuses décennies. Dans les pays pauvres, ce système existe également, mais il est beaucoup moins efficace. Ils sont sujets à une forte corruption et au chômage. Les impôts ne sont également versés que de manière sporadique. C'est un cercle vicieux auquel de nombreux pays ne peuvent plus échapper seuls. Mais si les impôts ne sont pas payés et que les systèmes d'aide sociale n'existent même pas, comment un État peut-il savoir combien d'argent circule ?

Il ne le sait pas. Dans un pays riche, quiconque accepte ne serait-ce qu'un petit boulot est déclaré, enregistré, assuré, payé et imposé. A Dago, ce n'est certainement pas le cas. C'est précisément là que réside le point faible des statistiques : la pauvreté est presque toujours mesurée en fonction des flux financiers mesurables. Avec parfois moins de 5% d'un revenu américain ou européen (en parité de pouvoir d'achat !), on ne peut pas survivre, même dans un trano baoritra sy trano falafa.

Le paiement de biens et de services échappe donc en partie à l'État et n'apparaît pas dans les chiffres parce qu'il n'est pas enregistré. Si l'argent n'est pas disponible, le paiement se fait en nature ou en contrepartie. Cela explique donc pourquoi les revenus peuvent être si bas en comparaison avec d'autres pays. Bien entendu, cela ne permet guère de mener une vie sûre et épanouie. Et si l'État ne reçoit pas d'argent des contribuables, il a encore moins de possibilités d'assainir son économie défaillante.

Une personne vivant dans la pauvreté financière ne vit donc pas nécessairement dans la pauvreté matérielle. On a donc besoin d'autres critères qui tiennent compte des conditions de vie.

mardi, octobre 24, 2023

TARATASY MISOKATRA HO AN'I NAMAKO IRAY

Zao lesy a!
Isika malagasy mihitsy no efa mahantra tanteraka hatramin'ny 1972 e! 
Tadidin'ialahy isika ilay voafidy tao amin'ny Collège St Paul tao Faratsiho ho solontenan'ny (délégué) vahoaka avy any Miandrarivo tamin'ny tolona 1972? Ny tolona tamin'ireny ihany no miverina indray aty amin'ny 2023.
Teo no nanomboka ny olana ara-toe-karena sy ara-politika. 

POLITIKA 
Nofoanana ny hetra isan-dahy fa ts'ilay fitantanana sy ilay mpanodikodiana ny volam-panjakana no nitadiavana hevitra amin'ny vahaolana mazava sy matotra... loza!!! 
Tadidiko foana rehefa mandalo ao amin'ny birao an'i Papa ragaova ny tanora, faly ery oe efa lehilahy lehibe fa handoa hetra amin'izay. Ny tena marina taty amin'ny fitondrana Tsiranana dia nisy ampahan'olona tsy nahazo saosy, nitsetsitra tamin'ilay hetra dia nanao oe" foany io hetra io fa mampijaly vahoaka" mampijaly ny kamolahy tsy te hamboly sy hiasa oui. 
Zao vao tena tsapako aty amin'ny tany mandroso fa ny hetra dia 21% amin'ny karamako no taxer ny fanjakana. Ary izay foana ny apahany takina raha vao misy vola miditra aminao.
Ny tiana hatongavana dia ny hetra foana, na amin'ny fomba ahoana no hangalana azy na amin'ny fomba ahoana no mampandrosoana ilay firenena. Isika mahantra loatra nefa ny zavatra tokony atao tena tsy hita pesipesenina: lalana, fahasalamana, fanabeazana,sns...ao anatin'zany tsara ho fantatra, eny fa na ny karaman'ny mpiasam-panjakana aza mila tsy ho voalohan'ny produit interieur brut (PIB), dia ande ho aiza, hanao drafitr'asa, fanjariana inona hafa indray? Ts'isy vola intsony. 
Ialahy ve moa no atoro an'izany.
 Avieo misy mampiesona oe "manan-karena i Madagasikara, matory eo ambony harena", nga misy fahagagana avy any an-adanitra ka oe misika tokana dia mivoaka oazy ao ambanin'ny tany ao ireo harena ireo. Tsy maintsy misy fampiasam-boala goavana izany, iza no hampiasa vola aty amintsika raha tsy misy fahamarian-toerana ara-politika (stabilité politique) eo, ny fanodikodinana ny volam-bahoaka etsy andaniny fomba fanao mahazatra (sport national). 
Aza mifamitaka oe ovaina ny rafitra misy eto Madagasikara dia mande io: OVANA NY FILOHAM-PIRENENA, HCC, CENI, dia inona koa...lay sain'ny tsirairay aloha OVANA oe "inona no tokony ataoko ho an'ity firenen'ity, fa tsy oe inona no tokony ataon'i RAJOELINA, na izy 11 lahy amiko". Tokony mandoa hetra mifanaraka amin'ny fidiram-bola tandrifin'ny tsirairay avy isika malagasy dia izay vao mandroso, ny erikerika no maha-tondra-drano fa tsy ny fanampiana hitavandra amin'ny mpanam-bola, ny Banque Mondiale, FMI sns... Io vola miditra ho an'ny fanjakana io dia atao mazava tsara ny fitsijarana azy ary hisy fiantraikany mivantana amin'ny faritra, hatrany amin'ny Fokontany: lalana, fahasalamana, fanabezana, fitatanan-draharaha akapobeany miantraika mivatana amin'ny vahoaka. 
Amin'izay fotoana izay dia manana toe-tsaina ho tena tompon'ity Madagasikara ity (sentiment d'appartenance) ny malagasy tsirairay. Mino aho fa raha misy mangalatra ny jiro eny amoron-dalana eny dia ho fitsaram-bahoka ny mahazo izay tratra manao izany, volako ny niala tamin'io hoy ny olona, fa tsy ilay teo-tsaina nolovaina tamin'ny fanjanahantany oe "an'i Dada io sa an'i Neny". Izany toe-tsaina izany dia azo tarafina amin'ny fihetsiky ny olona aty an-dafy raha mahita mangalatra na manimba ireny foto-drafi-trasa hiombonana ireny.
 MATIO 6:21 - FA IZAY ITOERAN'NY HAREANAO, DIA HO ANY KOA NY FONAO. 

 POLITIKA NANOMBOKA NY 1972: 
 Impiry moa no nisy hetsi-bahoaka, fanonganam-panjakana, teto Dago 1972, 1990, 1991, 2002, 2009, 2018. Tao aorinan'ireny dia natao foana ny dinika fanavotam-pirenena, hanovana rafitra ary indrinadra noheverina hanitsiana ny tsy nety rehetra. Raha ny dinika isan-tsokajiny fotsiny, isaky ny ministera tsirairay avy: tao amin'ny tafika, momba ny fahasalamana, drafitrasam-panabeazana sns...dia maro dia maro fa inona ny vokany? Tsy hita oe nankaiza, miova lay fitondrana dia manova, manao vaovao indray, ny teo aloha very anjevony ohatran'ny...an'ny mpifana, dia izay foana. Vita ilay fanovana goavana namoizna ain'olona marobe, fandravana fananana sy fanimbana fianan'olona tsy hita isa dia tsy ireo olona nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka no mitondra ilay Firenana eo anivon'ny vodrom-pahefana isam-baratonga, hatrany amin'ny Filoham-prenena ka hatrany amin'ny Directeur sy Chef de service fa olona tsy hita oe aviaiza. Ratsiraka no teo fa Ratsimandrava notifirina, ry Monja Jaona natao an-tsisim-bala, Zafy Albert no natao ho filoaha nefa na izy tenany ary niteny oe "zah nge ry zalahy tsy mahay politika e! Ry Manandafy sy Germain Rakotonirainy (RAZERY le lynx) nogadraina no niafarany nefa nitolona nahafoy ny ainy. Ny Pasteur RANDRAMANJATO Richard mpiketrika matsilo saina isaky ny tolona tsy hita oe manao inona rehefa avieo. 
Ry Ravalomanana, ny dadatoany aza nifirany naodinany ny ORINASA TIKO noho ny fitiavam-bola no tonga teo amin'ny fitondrana. Avieo i RAJOELINA, hadina zezika avadika tain'omby raha oharina amin'ny Ravalomanana i Kotozafy ihany no Leksisy. 
Efa antitra lesy ka mandika ny tantara a! Dia ozy aho oe " Rajoelina aloha no eo, misy zavatra mba vitany ihany, na nahodiny aza ny vola tokony nanaovana goudron teo an-tapon-tananan'ny Faratsiho. Normale be raha zesta no bediabe satria tsy misy vola zany eo am-pelatanana. Ny RN 44 anie tadidio fa tsy nisy vola akory dia nanaovany vato fototra e! Teo no nahatonga ilay oe "tsingolobatita an'i Razanapiera". Sao dia ataon'ialahy oe cadeaux avy any amin'ny père Noel ny fananganana ireny Sekoly, kianja, hopitaly, université, manara-penitra rehetra ireny, fa tsy ny volakely kely eo ihany no ahodikodiny eo. Ny tomobibilin'ny COVID no nozarazaraina isaky CSB2, ny bisikleta sy moto cadeaux avy amin'i Sinoa no lazainy fa fanomezana avy any aminy. Ny pont, ny Sinoa no manao azy dia izy no midedaka. 
Dia izay aloha no style an'i Nedala dia revena amin'izay fa toa misy vita ihany na kitoatoa aza hoy ny sasany. 
 Ny amin'ny fanovàna rafitra lesy dia hoy aho zay tamin'i Richard " efa antitra aho ka sady tsy mahatratra no tsy mahatoky ireo olona eo amin'izao fotoana izao, fa aleo angamba ho an'ny génération 2000 izany".
Raha ny amin'ny fandikan-dalana indray dia io démocratie nadika tamin'ny firenena tandrefana io mintsy no tsy miady amin'ny pièces ntsika,raha tena dinihana akaiky, tsy mety amin'ny SOATOAVINA malagasy mihitsy. Isika dia tsy manary ny hevitry ny tsirairay izany raha misy fanapahan-kevitra goavana. Tsy maintsy dinihana ny teny sy ny hevitry ny tsirairay, raha vao tsy izany dia misy mamalan-kira foana, ohatra: rehefa mivoaka ny fivoriana ny olona iray, na efa tapaky ny besinimaro teo aza, ary ilay olona koa nananga-tanana nanaiky izany dia lasa foana rehefa avy oe "zah efa niteny oe moa koa...", na tsy nangata-pitenenana hiteny akory aza izy tao am-pivoriana tao fa nanaiky be fahatany fotsiny, hivadiany tsotra izao satria izy nanana ny heviny tany. Ravalomanana sy Ratsiraka fotsiny aza no nifanaraka tany Addis-abeba teo anoloan'ny SADC, dia nifiran-dRavalo ny resaka koa. 

Io démocratie tandrefana io dia mifanohitra amin'izany, zay lany tamin'ny fifidianana nahazo isa 50,00001% aloha no mitondra, ny tsy mifidy tsy mikaonty, izay tsy misoratra anarana aloha iny no atao eo very zo. Ny voafidy no manao zay drafi-trasa, tsanga-kevitra tiany ho tanterahana mandritra ny mandat iray, mba tsy hitenenako oe manao zay saim-patany eo. Izay tsy lany tamin'ny fifidianana aloha dia mangina, fa tsy mijapy train eny toa ny oe "ka tokony ny fambolena, na fampianarana no ataon'io fitondrana io laharam-pahamehana", TENA TSY IZANY, amin'ny manaraka indray ny anao rehefa mahazo fahefana ianao. 
Etsy andaniny dia manana ny antoko politika niaviany ireo mitondra ireo. Eo no olana eto Dago, tsy avy amin'ny antoko iray ny mpitondra, samy manana foto-kevitra hijoroany, ary miariary izany amin'izao fotoana izao. Normale be raha ny mpikambana ao amin'ny andrim-panjakana dia ireo OLON'NY mpitondra Fanjakana avy amin'ny antoko matanjaka samihafa: nareo ao amin'ny Législative, ny Sénat moa tsy tenenina koa ny mpanohatra aza tsy nety nandray anjara, ny HCC, ny CENI, ny Mpanatanteraka, iny tsy maintsy izay. Na izany aza ianareo rehetra ireo dia samy olona manana ny maha izy azy avy vao tonga teo amin'ny toerana misy anareo tsirairay, mpandraharaha, magistrat, journaliste, Dokotera sns...fa tsy jiolahimboto teny Andrefatsena. Aty aoriana mantsy dia lazaina fa voavidim-bola, manaraka fotsiny izay lazain'ny Président sns... 
Ny azo lazaina dia tokony ho voafatotry ny hevitry ny antoko misy azy izay olona mirotsaka ao amin'ny  fitondrana, aty amin'ny tany mandroso dia tsy maintsy izay, fa tsy ady saritaka be ohatran'io adigasy io, mitsipa-doahalaka-nitana no lamaody. 
Teo indrindra ny olana mibaribary fa tsy mety amintsika io démocratie avy any ivelany io. Nanao kajikajy ara-politika ny fitondrana, mi démission Andry RAJOELINA, tsy nomena ny Président ny Sénat ny Président intérim fa tonga dia nomena mivantana ny Gouvernent ny fitondrana feno, (collégiale). Techniquement tsy mandika ny lalam-panorenana velively izany fa mitavozavoza tsy nahatoky tena ilay fitondrana. Niditra ny mpanohatra satria ilay famin-drampahefana mibaribary, fialan'ny Président ny Sénat milaza fa noho ny antony manokana tsy hita oe inona, taty aoriana mitsoa-pahana indray, avieo lazaina fa lasa adala. Etsy andaniny, ilay Gouvernement nomena fahefana feno, efa nitondra casserole be, nanaovan'ireo mpiray politika taminy fitsipaham-pitokisana. Dia mankaiza izany, enjana be, démocratie à l'état dur, brut, lasa jadona tsy mety amin'ny pièces ny GASY. Mitovy ny aty aminay tamin'ny oe "hapikarin'i Macron 64 taona ialahy vao retraite sady mihena ny karaman'ialahy nefa, ny jiro, ny lasantsy, ny PPN rehetra miaka-bidy" 

 FARANY TSY GASY HONO IZAHAY 
Hitanao teo amin'ny ravim-bola malagasy tamin'ny 1 ère Republique, dia nisy oe "potsirina ny mason'izay manao vola sandoka". Mbola tsy nisy nanao vola sandoka nopotsirina teny an-tsena ny masony na voaheloka ho faty raha vao tratra nandika lalana, fa misy didim-panjakana mivoaka mifandraika amin'izay vao hampiarina ny didy. 
Marina fa misy io article 42 io fa raha tsy misy lalàna mampihatra izany, raha tsy mivoaka ny didim-pitsarana mifandraika amin'izany dia tsy mihatra. Ankoatr'izay io lalàna io tafiditra ao amin'ny lalàna zo fototra, satria zon'ny olona tsirairay ny manana nationalié iray na hanala izany dia tena mila faneken'ilay olona mihitsy ny hanalana izany, ary mivoaka amin'ny didim-panjakana. Izay no tsy nampiasana io article 42 io hatramin'ny namoahan'ny mpahay lalàna voahofana sady tena mbola vozanaka ara-tsainan'ny mpajanantany mihitsy après 1960. 
Eto indray no tena mampme be " ka RAJOELINA anie ho filoham-pirenena e! Tokony mihatra aminy io lalàna io. Ô rangahy ity a! Nga ilay lalàna atao toa ny fanaovana politika gasy ihany ka izay mahametimety eo no anaovana azy? Ny lalàna dia natao ho an'ny olona rehetra na ambany na ambony. Raha hampiharina araka ny théorie FANIRISOA Ernaivo ny article 42 dia mihatra amin'ny olona marobe rehetra voakasik'izany, aty frantsa fotsiny dia 26 670 izahay tamin'ny 2020, firy amin'ireo no manana 8 cm, manohana an'i Fanirsoa, miampy ny olona rehetra maneran-tany. 
Tsy hidirako lalina ny amin'ny RAJOELINA fa izao kosa ozy indray ny mapanao politika "tsy ny amin'ny maha malagasy azy ny olana fa amin'ny maha Frantsay azy" aza miteniteny foana re ra olona a! Nga Rajoelina ROA, ka oe ny ilany ihany no mety, ilay malagasy fa ilay frantsay kosa aloha tena tsy mety, mba mieirtrereta ihany vao miteny, iray ihany i RAJOELINA, face iray gasy, face ray vazaha. 
Ny tsy azonareo an-tsaina, izahay manana 8 cm, ankoatra ny tsy fahazahoanay mividy tany aty Madagasikara dia APATRIDE izahay, araka ny taratasy nosoniavinay mansty dia tsy miaro anay intsony ny firenena frantsay raha vao manitsaka ny tanin'ny Madagasikara. 

Hatreo aloha fa mampamangy ny fianakavina rehetra ao. 
Rivo tena malagasy, ny vaovao frantsay aza tsy jereko intsony fa Real TV, TV Plus, IBC, Miara-manonja, KOLO TV sns.. no jereko vao mihiratra ny masoko 

 PS: Zao koa ilay izy, ny fitiava-tanindrazana samy manana ny azy any am-pony any. Tsy anjarako na anjarnao ny mitsara an'i Andry RAJOELINA amin'ny fiarovany sy fitiavany an'i Madagsikara. Tadidio fa tsy isika malagasy ihany no tia an'i Madagsikara fa maro no mankafy ity tanindzaznatsika ity. Ireo vazaha aza no manampy antsika amin'ny hevitra sy ny vola hiarovana ny tanintsika (les activistes internationaux). 
Ozy koa aho oe, tsy didinao amin'ny heviny Ingahy Rajoelina, nga izy mandrakizay no ho filoham-pirenena fa rehefa avieo olon-tsotra toa ny olona rehetra, hiafaneso eny Analakely rehefa mifankahita, na hiafina amin'ny fiavavahana any ampiangonana, toa ireo Président teo aloha.

lundi, mars 27, 2023

Pourquoi y a-t-il toujours des crises à Madagascar ?

 L’objectif est d'apporter un éclairage sur la nature et l'origine des crises récurrentes à Madagascar. Invariablement, pour chaque crise, les événements qui conduisirent à la chute des régimes en place apparaissent à la fois comme le résultat de jeux de coalition entre groupe d'acteurs, et notamment entre les élites, que celui de la perte progressive d’assise populaire du régime. Les contextes et motifs des différentes crises mettent en exergue l'importance accordée par la population aussi bien à leurs conditions économiques qu'aux questions de gouvernance. Comprendre la trajectoire malgache et ses crises à répétition implique de prendre en compte l'imbrication entre le politique et l'économique.

Si des vies humaines n'étaient pas en jeu, Madagascar aurait pu s'enorgueillir d'ajouter au mystère des origines de sa population celui de sa trajectoire. La trajectoire de l’économie malgache est d'abord une énigme. Depuis plus de quatre décennies, les différents changements aussi bien de stratégies économiques que de systèmes politiques n'ont pas permis d'inverser la dynamique régressive de l'économie malgache. Ainsi, le pouvoir d'achat des Malgaches a diminué d'un tiers de 1950 à 2010 selon les séries longues. Ensuite, l'énigme se double d'un paradoxe. Chaque fois qu'un épisode de croissance s'est fait jour, une crise de nature sociopolitique est survenue pour interrompre la dynamique enclenchée. Les différentes crises en 1972, 1991, 2001, et en particulier celle qui a suivi le coup d'Etat de 2009, ont eu des impacts négatifs notoires sur les niveaux de vie. Mais le sens de la causalité a priori n'est pas unique : les crises sociopolitiques sont également les conséquences des conditions économiques qui prévalent, notamment de la montée des sentiments d'inégalités, d'injustice et d'exclusion.

Madagascar semble enfermé dans un cercle vicieux sachant que l'issue de la dernière crise toujours en cours reste incertaine, et cela quatre ans après son déclenchement, même si les élections présidentielles et législatives d'octobre et de décembre 2013, dénommées "élections de sortie de crise" sont destinées à y mettre fin.

Ainsi, récession continue et crises récurrentes caractérisent aujourd'hui Madagascar sans que les théories du développement, traditionnelles ou récentes, ne permettent d'expliquer cette trajectoire (Razafindrakoto et alii, 2013). Se référant aux facteurs géographiques plutôt favorables pour Madagascar, les experts internationaux, qui commencent par découvrir le pays à travers les rapports, s'interrogent sur la fiabilité des chiffres sur l'ampleur de la pauvreté (92% de la population vivent sous le seuil de 2$ selon la Banque mondiale). Mais les difficultés pour appréhender la tragique réalité vécue par la grande majorité de la population n'est pas l'apanage du nouveau venu, au contraire. Comment en effet concilier les images contradictoires que dessinent, à l'instar d'un puzzle, les analyses disponibles sur la Grande Ile ? Ses ressources naturelles et humaines ne sont pas seulement mythiques comme en témoignent l'arrivée des investisseurs étrangers et le succès de la zone franche d'exportation à la fin des années 1990, même si celui-ci n'a pas duré (Cling et alii, 2005).

Comme la population, qui malgré sa perplexité affichait encore son optimisme en mai 2008 (Afrobaromètre, 2008), la communauté internationale avait même misé sur Madagascar en l'érigeant au statut de poster boy ou de front-runnerdu développement en Afrique au milieu des années 2000, refusant de voir les dérives autocratiques du régime en place. Madagascar n'a pas souffert depuis des décennies ni de guerre ni de conflits violents durables. Même si la fracture entre Merina et Côtiers est considérée le plus souvent comme la clef de lecture de l'histoire du pays, comparé aux autres nations du continent, la faible prégnance du fait ethnique soulignée dans quelques études (Roubaud, 2000 ; Ramamonjisoa, 2002) est confirmée par les enquêtes auprès de la population : l'ethnicité n'est pas identifiée comme source de discrimination politique ou économique (Afrobaromètre, 2005, 2008 et 2013).

En termes de gouvernance, un processus de démocratisation a été enclenché avec notamment l'institutionnalisation d'un certain nombre de procédures au cours des années 1990 (compétition politique ouverte, multipartisme, suffrage universel, liberté de vote, transparence des scrutins, liberté de la presse, etc.). Certes, l'énoncé de jure de ces principes, et leurs applications plus ou moins effectives, ne peuvent suffire pour l'instauration d'une véritable démocratie, sachant qu'on assiste même à des marches arrières dans une phase censée être de consolidation. Toutefois, les Malgaches n'ont pas eu à subir la répression de régimes véritablement dictatoriaux depuis l'indépendance. Donc, Madagascar ne souffre pas et n'a pas souffert a priori de phénomènes tragiques, pourtant l'Ile est aujourd'hui parmi les pays les plus pauvres du monde.

Ce rapide panorama dressé à partir d'un nombre encore limité d'analyses, malgré un engouement récent pour Madagascar suite aux effets néfastes de la dernière crise, appelle évidemment à des études approfondies.

Les événements de 2008 et la période actuelle dite de transition (avant l'investiture d'un nouveau Président) ont déjà fait l'objet d'études (Galibert, 2009 ; Randrianja, 2012). Toutefois, la diversité des groupes et du rôle des acteurs (les Eglises, l'armée, le secteur privé, la communauté internationale, la société civile, les populations) tout comme la multiplicité et l'enchaînement des faits qui ont généré et prolongé cette transition, constituent autant de matières pour enrichir les analyses. Mais il ne s'agit évidemment pas de se restreindre à la dernière crise dont l'actualité encore brulante risque d'empêcher un certain recul. L'application de ces mêmes approches aux crises passées donnerait une profondeur historique aux contributions proposées. On pourrait en particulier s'intéresser au rôle des élites ou gens de pouvoir régulièrement invoqué mais encore insuffisamment étudié malgré quelques exceptions (Rajaonah, 1996 ; Galibert, 2011). De même, la pertinence des lieux communs mettant en avant les spécificités culturelles, géographiques, historiques malgaches pour expliquer la trajectoire du pays devrait être mise à l'épreuve des faits. Afin de dépasser les approches qui se limitent à épingler des singularités "exotiques" mais très localisées et sans réel impact au niveau macro, les analyses qui s'attachent à démontrer, ou du moins à s'interroger sur, la véritable portée de phénomènes observés sur la dynamique à l'échelle nationale seront à privilégier.

Coordonné par Mireille Razafindrakoto, François Roubaud, Jean-Michel Wachsberger

Publié le jeudi 13 février 2014 Luigia Parlati par


RAMAINANDRO TALOHAN'I FARATSIHO

 TSARA HO FANTATRA: ISIKA ZANAKANTITRA TALOHAN'I FARATSIHO

Tamin'ny andro nanjakan-dRadama I (1810-1828), dia nisy rangahy nantsoina hoe Ramasoarivo. Nanambady roa izy dia i Rafaratsiho sy Ravinaninony. Ravinaninony no nipetraka tao atsimo, niompy patsa tao amin'ny farihy Vinaninony. Rafaratsiho kosa nonina tao avaratra, niompy toho teo amin'y farihy sy ny henihen'i Faratsiho. Ramasoarivo indray dia nonina teo an-tampon'i Bezavona (2 251m ny haavony) teo anelanelan'ny fonenan'izy roa vavy ka sady mitazana ny ao avaratra no mitazana ny ao atsimo. Anaran'olona ny hoe Ravinanony sy Rafaratsiho, kanjo rehefa maty izy roa vavy dia samy raikitra ho anaran'ny farihy sy ny tany niompiany ny anaran'izy ireo dia nahatonga ny FARATSIHO sy VINANINONY.
Tamin'izany fotoana izany dia tao anatin'ny faritan' Imamo no nisy an'i Faratsiho, ny marina kokoa tao anatin'i Atsimonivato. Atsimonivato dia tany tao andrefan'Ankaratra, atsimon'i Ambohitsokina sy Vatove ary Tetivato.
Raha nanamboatra ny rova sy bataria (manda) teny Ambohimanga Radama I dia nozaraina araka ny isan-tokony ny raharaha ka tsy nahavita ny azy Imamo. Nantsoiny ny vahoaka hiara-mamita an'io, kanefa tsy nisy nety nitranga afa tsy ny zanakantritra irery ihany, dia izy no namita io. Araka ny hafatra avy amin'Andrinampoinimerina, raha misy raharaha ataon'ny vahoaka dia tsy maintsy omena omby isan-kariva izy hovonoiny, rehefa sasatra niasa, mba ho sakafony.
Kanefa Andrianjaza, loholona tao amin'ny zanakantitra, nangataka tany tamin-dRadama ho solon'ny omby, satria tsy ampy azy ireo intsony ny tany tao Ambohimiarina, Ambohimasina, Lehilava, Mandriambero (atsimon'i Imerintsiatosika) ary Ambatomitsangana (avaratr'Arivonimamo). Hoy izy tamin'izany : "... koa raha sitraky ny fonao, dia mbola omeo tany malalaka ihany izahay mba hitomboanay sy hivelomanay, fa mitombo isan'andro ny vava mihinana." Nanaiky iLaidama, koa sady ho fankasitrahana ny zanakantitra sy ho famaizana an'Imamo dia i Atsimonivato no nomena ny zanakantitra. Nidina teny an-toerana mihitsy ary Radama I niaraka tamin'ny zanakantitra notarihin'Andrianjaza hamaritra ny tany. Teo Ambohitsokina (atsimon'Amboanana) no nanomboka ny famaritana, dia nandalo an'i Vatove sy ny reniranon'Anjahana, nandalo an'Ambohimizana, Tetivato, Dondona, Kitsamby, Ambatonombalahy. Dia nianatsimo izy ireo avy eo nandalo ny farihy Dango, nita an'i Sahomby, nandalo ny tendrombohitr'Ambohimpoloalina sy ny bongan-dRamasoarivo ao Bezavona. Niantsinana indray avy eo namonjy an'i Nanokely sy Nanobe, Antokovaritelo, Bonganandriana. Nianavaratra indray avy teo ka nahazo an'i Ambatoborona, nanaraka ny reniranon'i Manalalondo, nahazo an'Ankafotra (bonga avo ao atsinan'i Manalalondo), dia Farahery ary tafaverina tao Ambohitsokina.
Rehefa vita izany dia hoy Andrianjaza nisaotra sy nanasina an-dRadama I : "...ity tany omenao anay ity dia tany lonaka sy malalaka; tanety tsy mandà hanina; heniheny tsy mandà vary, tany lonaka mahavoky noana, tany masaka mahatavy ny mahia, ary kijana mahavoky ny omby. Farihy be misy hilomanosan'ny vorona ity, tompokolahy ary tany malalaka hilomanosanay zanakantitra sy hitomboanay mandrakizay. Koa misaotra anao izahay fa soa mandrakizay ity." M. Rasamuel (1972).
Nandritra ny Repoblika voalohany, dia tao anatin'ny Fileovan'i Vakinankaratra no nisy ny Distrikan'i Faratsiho. Nizara ho firaisana ambanivohitra enina (6) izy tamin'izany dia ny firaisan'i Faratsiho izay renivohitry ny vakimpileovana, Ramainandro ao avaratra, Miandrarivo sy Valabetokana ao andrefana, Vinaninony ao atsimo ary Ambatofotsy ao atsinanana. Nanomboka ny taona 1975 dia niofo ho fivondronana i Faratsiho. Nizara ho firaisana roa (2) ihany koa ny firaisan'i Vinaninoy ka nanjary Vinaninony atsimo sy Vinaninony avaratra. Ary nanjary firaisana mahaleo tena Andranomiady izay mamarana ny ilany avaratra amin'ny fivondronana.
Tantely