vendredi, décembre 04, 2009

Affaire des bois de rose comme source de blocage

Salut tout le monde.
Efa niteny ihany oe inona no hitsolatsolanana any Mampiesona any (MAPUTO), fa tena mbola henatr'olona indray ity. Porofo izao fa tena misy manana intérêts mihitsy @ fandehanana any...samy mahalala isika.
Tsy any no tiana tsindrina fa ity resaka bois de rose ity. Ny niatombohan'ny fitrandrahana an'iz'ty anie d'efa t@ andron'ny DADA e! (janv 2009), niditra i Andry dia nisy fifanjevona be tao. Koa maninona ary raha tena tia Tanindrazana marina ry Zafy tsy apoaka izay apoaka fa be taim-bava eo. Mbola betsaka ny affaires miantona koa maninona no io ihany no hanaovana taim-bava (manomboka any @ pont flottant an'i Deba, mandalo any @ Avion'i DADA, mifarana aty @ Bois de rose, ny vono olona teny Ambohitsorohatra mitady hodiana fanina...kinga sy mahay ery manatsikera ny fanagadrana panao POLIFIKA masiso rehetra io nefa fomba fanao eto @ tanana foana io hatramin'izay ).
Fehiny, mampitandrina ihany fa isika samy malagasy no ampiadian'ireo olona ireo (manahy aho fa ho ady an-trano no hiafaran'ity tantara ity) fa ny az'reo SEZA sy SAOSY ihany no masaka ao an-tsainy. Ils font tous les moyens pour avoir les SEZA, envisagent déjà tous les stratégies moribonds pendant les élections à venir, mba mailomailo.
A+