vendredi, octobre 27, 2006

TSY MPIFIDY IZAHAY

TSY MPIFIDY IZAHAY: anay Madagasikara ramainandro
Messenger
Envoyer un e-mail

Miarahaba antsika rehetra Izahay dia mitonona ho anisan'ireo izay tsy nifidy nandritry
fifidianana taona maromaro izao. Maro an'isa hono izahay araka ny fanambaran'ny mpanao radio sy ny gazety ny télé moa tsy hitanay. (Plus de la moitié des électeurs malgaches se sont abstenus lors des dernières élections). Tsy oe olona tsy mieritreritra ny tanindrazanay izahay na tsy tia azy fa manana ny politikanay. (Nous travaillons, nous sommes solidaires entre nous, nous bâtissons Madagascar. La classe politique... nous l'ignorons. Le pays réel c'est nous).
.
Mpifidy ihany izahay taloha fa lasa pijery. Niova ny politikanay "mandinka ny tantara sy ny zava-bita, fa tsy mba mialoha lalana mpanao ny hoe : ôé! ôé! na ndao!, na tampotampoka eo dia tiako Madagascar sns...." Mafy ny anay ny fiainana ka variana miady amin'ny kapoaka izahay, tsy misy havana eo amin'ny fitondrana azo antenaina, na fianakaviana mpandraharaha hanavotra ara-bola. Ny anay nahazo seza aza tsy mahalala anay intsony.
Ny fanontaniana mipetraka aminay indray amin'izao ankatoky ny fifidianana izao dia, (voatery mba mieritreritra kely ihany moa satria fantatray fa tsy maintsy hisy mpitondra indray ity taninay ity) iza indray no aroson'ireo be tetika sy avaram-pianarana hiaro
ny tombotsoany?
Ny anay moa tsy mba ataonay hoe mpanao politika fa atao oe be tetika na be vinany, mpanome tailana, satria aminay izany mpanao politika izany dia mahantanteraka ny zavatra nampanantenainy fa tsy oe tetika hameno paosy. Ny tombotsoa moa; izahay dia tena tapaka tanteraka koa tsy misy tombotsoa arovana. Ny fianarana indray dia ireto zanakay ireto izao no hilofosana fa ny anay efa potika tanteraka natao sorona tamin'ilay atao hoe fanagasiana: SADY TSY NAHAY TENY VAZAHA IZAHAY NO TSY NIFEHY NY TENY GASY
Koa oy izahay oe, mitovy ihany izany na Ra8, na Zafy, na Dadilahy, i Dadabe Tsiranana moa aza no tena azoazonay satria izany no sisa hanaovanay revin-gadra hoe "E! rankizy taloha izahay mbola afaka nividy "bande déssinée" Akim sy ry Zembla" (any amin'ny mana-bokony
mantsy izahay no miaritra trefla)
Tsy miamboho adidy akory izahay ary tsy milaza oe tsy hifidy intsony mandrapahafatinay fa ity resaka fanindraindrana olona ho fidiana ity dia sinema efa fahitanay foana.

Mbola tanora vao nisondrotra izahay no nantsoina oe"ndao roahana ny vazaha, hitolona amin'ny adi-tsaranga isika, hanangana firenena ahitana fitovian-jo sns...". Fampanantenana nahavelom-bolo tamin'izany ary izahay efa mba neritreritra firenena paradisa an-
tany. Ay ry zalahy mpitari-tolona lasa nitsoaka tany an-dafy, rehefa tsy nahazo fitondrana. Taty aoriana, rehefa hitanay fa fanantenam-paokaty izany, dia mba nanao fanonganam-pajakana (tsy havanana amin'ny fitadidiana ny daty isan-karazany moa izahay fa ny taona 1991 tsy adinonay fa saika namoizanay ny ainay). Nozeran'i Deba ny grenady teny Iavoloha izahay fa tena mba vonona fa anongana an'i lery amin'ny fomba rehetra.

Avy eo, naroson-ndry zalahy be vinany ho fidinay indray ity olona tsy mpanao politika hatr'izay niainany dia ianareo avara-pi no mahafantatra ny tohiny. Efa mailo ihany izahay, oy izahay oe "hiaro ny tombotsoan'dry zalahy matanjaka indray io fa tsy maninona izany,
tsy hiavotra kely eo ve isika". Ay tena vao maika K.O total, ny vidim- piainana tsy tanty intsony, ry zareo nameno paosy.

Leo tanteraka izahay ary rehefa nahatsapa izany ingahy be satroka penjy dia mba nampifidy anay; tsy nasinay sira fa tena leo tanteraka izahay.

Miverina indray ity ny senariô, ity indray no ady eo "Ra8, tiako Madagascar" dia ahoana ?. Notairin'i Deba tao i lery , mikasika ny orin'asany, dia tapa-kevitra fa hirotsaka ho fidiana prezidà, fa amin'izay izy afaka miaro ny tombotsoany tsara. Aminay dia tsy misy hidiran'ny "sentiment" mihitsy izany atao hoe olona ho fidina, fa ny zava-misy sy nolazaina taminay no averinay; efa leom-boanana omaly izahay. Ny fampanantenana dia refrain efa ainay tsianjery.
Tsy afaka hitsara azy izahay amin'izao fotoana izao fa na ny fifidianana aza mbola tsy vita. Afaka miteny kosa izahay raha ny momba ny affaires-ny hatramin'izay. Nanao ampiamamba izy teo amin'ny sehatry ny fitrandrahana ny ronono.
Tsy nandoa ny zavatra tokony aloha rehetra teo amin'ny hetra sy haba isan-karazany tokony ho vola miditra ho an'i Madagasikara Ra-8. Voaaro tanteraka izy nandritry ny fitondrana maro . Asaivo alohany aloha izay tokony alohany dia miresaka isika. Victime ny tombo-tsoa azon-ndRa8 taloha izahay satria raha mba nitrandraka ny ronono taty amin'ny faritra misy anay (mpanao ronono Antovontany, BCL, Fifamanor, kiso-omby... ny farintaninay manontolo)
dia atody niady tamam-bato teo amin'ny seahatry ny tinady. Ny zavatra novokarinay raha mifampitaha amin'ny vidin'entana atolotr'i Tiko dia tsy azo amidy .Mazava ny antony satria mora ny azy ny masonkarena, nahazo tombon-tsoa manokana izy. Raha milaza ny lehilehy fa hamerina an'izany, mbola ho hita eo ihany . (Nanome ny soa betsaka tamiko i Madagasikara ary afaka manao izany amin'ny fianakaviantsika izy.)

Hatreo aloha dia mety hifidy an-dRa8 ihany izahay na dia mbola ananay trosa aza izy ary milaza hamerina izany. Indrindra moa raha mifanandrina amin'ny fiodinana faha-2 izy sy ny Deba (ataonay oe Deba ny iray satria mba mijery ireny film vdéo misy ireny mafia ireny
ary ny Deba ilay manana ny fahefana rehetra).

Araka ny mahamailomailo anay anefa dia mitovy ihany ireo olona eo ambonimbony eo ireo satria aminay dia mifandray tendro ihany izy ireo fa vazaha mody miady, Ra7, Ra8,Raza, Ra5(Radidy), (...la classe politico-économique qui dirige notre pays depuis des décennies ?..
Car ce sont les mêmes, qui continuent leur route et leur enrichissement personnel en méprisant notre peuple et notre patrie. Ils changent d'étiquette, de "communistes" deviennent "libéraux" et ensuite peuvent, si besoin, devenir encore autre chose... ) hatreo indray aloha fa hita eo ihany e!