jeudi, novembre 05, 2009

Faut-il savoir reculer pour mieux avancer?

Faut-il savoir reculer pour mieux avancer? Faut-il savoir reculer pour mieux avancer?
Sersera , message N° 34595 du jeudi 05/11/2009 à 11:29

Tonga filing androany dia toa ho be lazao.
Hevitro manokana, ny an-daniny manohana an-dr8 dia toa miziriziry be @
fahantran'i Vahoaka hatramin'izay fitondrana Tetezamita izay. E! alors, tsy
fanaovana tsinontsinona ny fahantran'ny vahoaka akory, fa raha te handroso dia
misy fijaliana indraindray. Sa mahafinaritra ny mijery ny mpitondra Firenena à vie mameno paosy, tsy hampandroso ny Firenena mankaiza. Legaliste a! Legaliste,mba fantatr'izreo moa fa t@ fifidianana farany teo dia tsy fangalaram-batotsotra no nisy fa ny vato rehetra an'ilay olona no nomena an'i ilay ankilany
(mbola specialité an'i DEBA ihany) dia mbola hitohy @ izany ve ny FIRENENA?
Ny vahoaka madinika anie dia mahari-pery e! mampaninona azy moa izay mpitondraeo na Rakoto na Rabe raha ohatra ka tsy mampiova ny farim-piainany, izy diamivelona isanandro ary miady @ kapoka, tsy ho voavidiny foana ny sakafo hoaninyan-davanandro, na misondrotra na miakatra ny pétrole, (izany no zava-misy). Lecomble dia ireo antokon'olona teo afovoany ireo, mpiasam-pajakana, mpiasa @société, mpaboly, lasa mahantra fa tsy niakatra farim-piainana velively. Ny voamafy dia ireo niara-nihinana t@ fitondrana, manana internet, sy Daba, ka mitaraina. Noho izany mba andehanana any Demokkrasia marina, tsy ny fananampirenena nohivelomana dia natao @ fomba rehetra ny FANOVANA (naongana Ra8, na izay mety hotoa azy, DJ, Rakoto, Rabe), ka izay ilazana azy dia tsy quoi (Puntch, potsitra, putch...)

Todio ny taloha fa aza manao ririnin-dasa tsy mba tsaroana. Nitaraina isika fa
tsy nitombo velively ny farim-piainana tao aoriana kely ny fanonganana an-R8,
an'isan'ny hevitra iray nitondra antsika teny Ambohijatovo izany (afa-ts'ireo
niara-nihinana, sy nahazo tombotsoa manokana t@ fitondrana). Tsy manome rarinyvelively an'i Andry izany fa tsy nandeha t@ LAONINY fotsiny ny répertoirenentina nampadihy (DJ), ireto akama koa moa tsy azo hianteherana. Tsy mampiovavelively ny tanjona, dia ny FANARENAM-PIRENENA akory izany. Ny fahadisoana diaho an'i rehetra, tsy mijery ny tombotsoam-pirenena fa fiarovan-tseza toa nymahazatra (Ra8 & Andry).Inona no hidiran'ny Firenena any ivelany handamina sy hampihavana antsika, diainona koa no hidiran'i Deba sy Zafy amin'i adin'i Ra8 sy Andry. Fampisehoanaizany fa mbola marefo dia marefo isika tsy mahay mifandamina velively ka milaFirenena hafa, miantehatra amin'i Reny malala tsy ay intsony...Hatreo aloha fa hevitra mandalo iny.
A+


Mampatory (Maputo), Mampiesona

Mampatory (Maputo), Mampiesona Mampatory (Maputo), Mampiesona
Sersera , message N° 34593 du jeudi 05/11/2009 à 10:15


Mba hiteny kely indray aloha, fa alohalika ny ranom-bary.
Tsy mihemotra velively ny tantara, fa mandeha ihany, na eo aza ny fijalian'ny vahoaka. Tsy ny tolona ho amin'ny FIVOHARANA velively no mampahantra ny vahoaka fa ireo mpanaraotra ny vanim-potoana. Ireo an-tokon'olona ireo dia tsy mifidy na iza no mitondra na iza (DJ, Laitier, Professeur, Amiral...) fantany fa ho eo foana izy, fa fandalovana kely fotsiny ny any am-poja, na refusé polifika any Frantsa ary matetika moa fandalovana fitsarana tsy mitondra aiza na aiza.

Vokany ity CINEMA any MAPUTO ity, toa ilay fifanarahana tany Dakara dia fantatra fa fitadiavan-tseza foana, ary ny tena mampalahelo dia fanaovana tsinontsinona ny valala tsy mandady arona mijaly isanandro miafara amin'ny famoizan'aina (13 Mai 1972, Iavoloha 1991, Mars 2008...). Dia mihevitra ry zalahy fa hiverina maimaim-poana eo @ Fitondrana amin'ny OE! OE! na ny herin'ny RONONO. Ho adino daholo ny tsy fahombiazana tamin'ny fanabotriana ny firenena, ny famonoana olona moa dia modiana fanina, fanimbana sy fanodikodinam-bolam_panjakana tsy asiana sira (ny anay any Vakinankaratra moa rehefa nirefotra ny Tetezana dia toa ry zalahy indray no mitady ho avo vava).

Tsotra ny tiana takarina, isiaka be lazao eto amin'ny internet, no tokony hanova izany rehetra izany fa tsy variana hifamaly TGV, GTT, Zanak'i DADA, zanak'i NENY. Soyez franc, inona ny tombotsoanareo hafa ho azonareo @ ireo Fitondrana teo aloha, sa mbola mitetika ny ho kalabe. Adaboy any ireo olona efa maimbo ireo, omeo ny tanora amin'izay ny Fitondrana. Tsindrina manokana fa tsy oe mitodika @ TGV, fa kosa efa lalana iray io ary mety misy lalana hafa koa ho any @ FIVOHARANA amin'ity tsy fandriam-pahalemana ity: fiainana an-davanandro, ara ekonomika, politika, indindra sosaly.

Mola tsy miova izahay ary haverinay indray ny teninay teto amin'ny serasera t@ adin'i DEBA sy Ra8 (Message 6782 Mardi 13, Novembre 2001 9:22) Araka ny mahamailomailo anay anefa dia mitovy ihany ireo olona eo ambonimbony eo ireo satria aminay dia mifandray tendro ihany izy ireo fa vazaha mody miady, Ra7, Ra8, Raza, Ra5(Radidy), DJ (...la classe politico-économique qui dirige notre pays depuis des décennies ?... Car ce sont les mêmes, qui continuent leur route et leur enrichissement personnel en méprisant notre peuple et notre patrie. Ils changent d'étiquette, de "communistes" deviennent "libéraux" et ensuite peuvent, si besoin, devenir encore autre chose... ) hatreo indray aloha fa hita eo ihany e!
A+