mardi, janvier 14, 2025

MANAO AKANJO MANENDRIKA NY HAFA ISIKA

 

... tsotra be ny fanazavana an'io sary io ary singa iray fotsiny mahatonga amin'izao fahantrana mangitsokitsoka izao , firenena faran'izay maloto indrindra eto ambonin'ny tany. Miraviravy tanana tsy mety miasa ny olona, firy moa izay ny paik'ady nentina teny amin'ny tantsaha hampivoarana ny fambolena, ny fitaovana nozaraina ho an'izay ireo hatramin'ny 1 ère repoblika fa e! e!.

Naroso ny vary en ligne tany amin'ny 1964 fa ny teny amin'ny sisin-dalana hitan'ny mpisapanjakana (MAER) ihany no nataony.  Nozaraina tracteur isaky ny Fivondronana miaraka amin'ny lela-vola tsy toko sy forohana, nasiana ny banky ho an'ny tantsaha BTM, fa ny tracteur lasa taxi-brousse ny vola nosamborina nividianana moto sy nohanina tsotr'izao tsy nande any amin'ny famokarana velively.

Ny omby beronono: i Ravalomanana saika mba hamonjy ny tantsaha, lasa izy tenany no niompy azy. Mba naka tahaka Rajoelina nozaraina gratuit ho an'ny orange mpisolelaka fitondrana ilay omby. 
Mba saika hanao investissement entina hampiodina ny tananan'Antananarivo Naina Andriatsitohaina, lasa oe mpanodikodina ny volan'ny CNAPS, fa aleo ihany mivarotra eny amoron-dalana, ny tsena natao nidongina tsy nety nivarotra tao anatiny. Aleo ihany ny fako arina eny ivelan'ny bac fanariam-pako, amin'ny fotoana izay mahametimety, amin'ilay fotoana ts'isy mpadroaka fako iny. Hangalarina tamakoa sy izay vy rehetra hita amin'ny fanana-panjakana.

Maro no azo tantaraina fa ny tena marina raha vao misy fifidianana dia ozy ny olona oe "ndao rangahy ilay firenena mintsy no dorana ara-bakiteny a !" Tranga efa nisy hatrany amin'ny repoblika voalohany io, ary ny tenako efa namono afona doro-tanety, tamin'ny ratsa-kazo tamin'izany, tsy indray mande. 

Valiny mazava ny antony nahatonga izany, ilay Firenena mintsy no miakanjo manendrika ny hafa, tsy mety amin'ny fitiavany ilaina amin'ny fiainana, tsy mitovy amin'ny fitafy nenti-paharazana, any ka tsy hajaina, lotoina, rovitina, hamidy daholo izay any anaty paosy any (volamena, bois de roses, sokatra...), dorany, hamidy amin'ny Vazaha sy ny Karana,fa raha samy gasy tsy mety "samy tompony ihany". Na ny mpitondra teo aza samy nivarotra tanindrazana daholo. 

Tena manamafy izany ireo mpanao politika marobe miala an-daharana, Conseiller spécial ny Président de la République no mivadika manaratsy ilay Président, Praimisitra no lasa eny Ambohijatovo manonga-panjakana, tanana hakavanan'ingahy Prezida no lasa RAZANAMANINGANA. 

Ilay demokrasia tandrefana mintsy no tsy azontsika na ny tena marina koa ngamba mila taona maro dia maro ohatran'izy ireo isika hametraka izany. Fehiny TSY METY AMIN'NY PIÈCES NTSIKA, fa ny Frantsay renimalala aza izao efa tsy dia makany intsony, sa moa ity farany koa no alain-tahaka. 

Ny mpitondra lany amin'ny demokasia ozy ny tompony no mitondra manatanteraka ny fampanantenana nataony nahalany azy. Ny antsika aloha hatreto, 65 taona izao, nahongana teny amin'ny 13 mai ny fitondrana, dia io mbola misy mivoy io ihany aty amin'ny 2025. Ilay fitondrana rehefa tsy mitovy amin'ny fihevitritsika, tokony hampidirina ao amin'ny fomba fiasany izay heverintsika ho vain-do han-raharaha, dia tsy azo ekena mintsy, dia lazaina fa mpitondra tsy mihaino tsy mahay, tsy alehany, tsy mitsinjo. Raha raisina amin'ny fijery tsotra dia ohatra ny olona iray manao lahasoratra, efa misy rafitra matipaika entiny manangana azy dia misy motsaingoka eny oe zao no tokony holazainao amin'io lahatsoratra io. Marina fa tsy ahafehy ny zavatra rehetra ilay lahatsoratra fa raha manana hevitra ianao ataovy ny lahatsoratra mitondra ny hevitrao. Ndana ento eny amin'ny mpitsara amin'ny fotoam-pitsarana, dia ny VAHOAKA izany. 

Ny olana koa moa ilay mpitondra tonga eo amin'ny fitondrana amin'ny fifidianana tsy dia mazava, misy hosoka, misy hala-bato, lasa manao fitondrana manao dikavilana an'ilay DEMOKRASIA tandrefana ka toa sarina fitondrana tsy REFESI-MANDIDY. Hita foana izany fa faran'izay ilay fanonganana ny Lehiben'ny SENAT, nahatezitra olona maro.(ref: hafatra ho an'ny namako iray)

Efa ela no mitaraina ny manam-pahaizana, mpitsara iraisam-pirenena, lehiben'ny Akademisiana Malagasy ny Pr RANJEVA, tsy atoro amin'ny fandinihana toe-javatra misy rehetra fa mila mpitondra marina ny Firenena. Ny FFKM sy ny mpitondra fivavahana sasany, mivoy hevitra amin'ny rivotra.
 Ny hatongavana amin'izany dia tsy misy afa-tsy amin'ny fiverenana an-doharano. Mametraka fiarahamonina miainga amin'ny FIHAVANANA dia tsy inona fa "llo manamandina ny fiarahamonina malagasy ka ny mpisakaiza toa mpiombon-dra ,ny mpifankatia toa mpiombon-ndreny . Ravadravaka eo am-pivoriana izy, kofehy ifamatorana amin'ny sarotra.  Ny fitsimbinana ny fihavanana dia midika ho arofanina tsy hianjeran'ny mpiara-monina, mampiray fikambanana, mpiara-miasa, mpianakavy ao anaty hantsan'ny ady lahy sy fisaraham-bazana, ho tondrozotra mankany aminin'ny fifanampiana sy fifankatiavana ary fifandeferana" izay ilay izy. 
Ny hatongavana amin'izany dia mametraka Lalam-panorenana miainga amin'ny FOKONOLONA, avy any no miainga ny hevitra rehetra, mifehy ny fitondrana  ara-tsosialy, ara-toekarena, indrindra ara-politika. Amin'ny alalan'ny Fifidianana sefom-pokotany VOAFIDIN'NY VAHOAKA eny ifotony, tena latsa-bato ara-bakiteny, amin'ny sari-teny oe VATO EKENA, vato alatsaka ao anaty satrok'ilay olona ho fidiana.

Efa natomboka ihany izy io tamin'ny fitondrana Gl RATSIMANDRAVA, nifitotra tamin'ny laha-hevitra oe VATOEKA, fa novaina, noravain'ireo tsy mataho-tody, noho ilay RAFITRA FOKONOLONA tena nanohintohana ny rafitra sosialisma tamin'izany, indrindra moa ny demokasia Tandrefana. Nanembatsembana ny fihinanan'ny voanjo sy ireo mpiara-dia aminy, izay efa teo foana, dia tsy iza fa ireo namadika tanindrazana, nanolotra ny Madagasikara ho zanan-tany. Vokany 65 aty aoriana Firenena mahantra sy maloto indrindra erän-tany isika (1). 

Manana manam-pahaizana isika, andronareo tanora teraka aty amin'ny manodidina ny taona 2000 izao, hialao lavitra ireo mpanao politika teo aloha fa efa tsy nahavita. Ampisehoy fa tompon'ity firenena ity ianareo 

Amen be. 

(1) VATOEKA: https://www.persee.fr/doc/autog_0338-7259_1977_num_39_1_125