vendredi, septembre 10, 2010

DINIHO KELY ITY: Ambanimaso tsy hita

Tsy miova mihitsy ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara eto fa dia ny fomba tany aloha ihany no mbola ataon'ny mpisehatra izany amin'izao fotoana izao. Ny hoe "mamadika palitao" no filaza izany, fotoana vitsivitsy lasa izay, fa rehefa mandeha ny andro sy ny fotoana dia tsy maintsy mbola hojerena indray izay ho voambolana hanoloana azy io.
Vao roa andro izay no niresahana teto ny momba ny antoko Arema sy ny fipoiran'ny ilany vaovao sy "vonona" tao aminy, taorian'ny "menamaso" sy ny "matotra, sy ny tsy fantatra intsony… dia io fa nanazava ny ho "fandraisany anjara" amin'ny fihaonambem-pirenena indray ny HPM "tsy manaraka ny ankolafy Zafy". Ilaina hampahatsiahivina koa ve ny nisian'ny "TIM Raharinaivo" izay mampitabataba ny ao amin'io antokon'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana io?...
Ny tena mahavariana anefa, na dia fantatra aza fa "faralahin-kevitra" ihany, dia ny mbola fametrahan'ireo "elatra" nanatona ny fihaonambem-pirenena ireo ny "fepetra" hoe ny Cnosc no tokony hitari-draharaha. Mahavariana, satria tsy misy izay sy mahafantatra fa efa "lasa" izany Cnosc izany. Fa ny tena mahavariana ambonin'izany dia ny mbola famerimberenan'izy ireo ny hoe "consensuelle" sy "inclusive", izany hoe iraisan'ny rehetra sy idiran'ny rehetra. Variana ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ka mametraka ny fanontaniana hoe "fa iza àry no heverin'izy ireo ho azo horebirebena eto ê?" Raha ny "iraisan'ny rehetra" sy "idiran'ny rehetra" no takian'izy ireo dia tokony ho ny tany amin'ny ankolafy misy azy ireo avy no nampisehoan'izy ireo an'izany. Nahoana mitaky an'izany aty amin'ny fihaonambem-pirenena izy ireo, kanefa tsy nahavita an'izany tao aminy, izy samy izy? Izay ilay hoe ambanimaso tsy hita.
Tsy hitan-dry zareo ny eo ambanin'ny masony, ary tsy hitany toraka izany koa ny eo ambanimason'ny vahoaka malagasy. Rehefa nojerena tokoa mantsy ireo milaza ho vonona ny handray anjara amin'ny "ady hevitra rehetra" hatao hivoahana amin'ny krizy dia azo lazaina fa ao daholo ny rehetra… Satria ao anatiny izy ireo. Ao ny Arema, ao ny Tim, ao ny HPM… koa iza sisa izany no tsy ao?... Ny olon-dehibe narahin'izy ireo, efa "nahazo taona" sy efa nandalo teo amin'ny fitondrana kanefa tsy nahomby sisa. Tena tsy hitan-dry zareo ireo ve izany zava-misy izany? Tsy eo ambanin'ny masony akory anefa fa tena ifanatrehany mihitsy... Asa fa dia anjaran'izy ireo no mandinika ê.
La Gazette de la Grande Ile, Vendredi, 10 Septembre 2010 05:42
Alain R.