samedi, août 08, 2009

Nahoana no miditra lalina ny Vondrona Iraisam-pirenena

Eo no hiderako an'i Zafy Albert fahiny, raha tsy voan' i Alzheimer angaha lery.
Ny tokony ho izy anie dia tsy manantena fanampina lav'izao isika fa tokony hanondrana any ivelany az'e! Sarotra anefa izany @ izao fotoana f'efa zatra fanampiana foana.Avelao hiantona any izay SADC - (Southern African Development Community) De toute façons nous ne sommes pas AFRICAIN nous sommes MALGACHE. Hevitro iny, fa ny tiana takarina dia aza manantena ny hafa e! avelao aloha isika hitsikaraka. AGOA, (African Growth and Opportunity Act), SADC, isika anie hatramin'izao dia tsy mahavita mamokatra firy akory e! OVY ao Maurice aza tsy vitantsika akory ny mamatsy azy koa, nefa ny tany malalaka. Avy indray ny fitrandrahana RANO any Atsimo-Atsinanana dia hita oe sakanana! Tsy mitovy @ affaire Daewoo mihitsy anie izany e! Putain...
Nous avons tous les atouts,tandremo fa aza mihinana am-bolony.
A+

jeudi, août 06, 2009

DÉMOCRATIE: Régime où tout le monde a le droit de dire que l'on est en dictature.

Mety ho tonga indray ity convention de Maputo
Resaka efa miverina foana iz'ity 1991,2002, dia ho 2009 indray ve.
Mampalahelo fa tena mbola zaza tokoa angamba ny Firenentsika ka dia mila mpanelanelana lava izao vao mahay mifanaraka ny mpanao POLIFIKA.
Tsy any no tiana hambara fa famaritana kely ny tantaran'ity tolona ity, toa ny vahoaka ihany no miantoka eto, ry zalahy mifanoroka toa tsy nisy n'inona n'inona iny.
Tsy mihemotra velively ny tantara fa mandroso hatrany
T@ andron'i Deba dia aoka tsy hadino fa 25 taona mahery no nampiesonin'i Lery teto isika, ny ahy manokana aloha dia novizaniny tantraka ny fiainako.
Tonga i Ravalo nampanantena 4L ay i nedala no nividy AVIONS maromaro, na gargotte tsaratsara bebe kile aza alain'i lery, ilay goudron vita tsy nanana Daba halefa teo velively ny vahoaka fa mbola miady @ kapoaka...
Ny tiana takarina dia tsotra, raha nanongana an'i Ra8 i Andry, izay hilazanareo azy aloha na putch na punch (je rigole)... fa mandeha ihany ny tantara, asa ianareo mirevirevy eto @ internet eto na mba nandalo tany DAGO, fa faramparany nitondran-nRa8 izay anie ka misy izany oe tsy mahazo miteny mafy rehefa mitsikera an'DADA eny an-dalana fa sao dia misy ma-HENO, ka migadra...aiza no misy mpitondra miteny oe « Il faut d'abord bien jauger ses forces avant de se mesurer aux miennes» @ ity andro mazava be ity, l'an 2008, c'est ça la démocratie que queques uns veulent à tout prix protèger...
Tsy hapetraka ho an'i mpanao polifika ihany FIHERITRERETANA fa antsika rehetra manontolo mihitsy.
Ny nahatonga ahy nanoratra androany dia ny fahitako an'ilay zazavavy kely sur net miantso fivorian'i LEGALISTE eny @ TROCADERO, mba fantatr'izy io ve ny tantara no misy mampitovy ny any IRAN sy ny aty Madagascar putain...
Tsy manambany velively ny eny @ MAGRO AHO fa raha izaho koa no oe @ toerany very fivelomana (TIKOLAND) dia nandeha teny koa, fa ho anareo any an-dafy dia tsy dia fantatro loatra ny hiarovana ny hareanan-dRa8 raha tsy oe mahazo tsipika kely angaha ianareo.
Na lazainareo fa tsy mahavita azy aza i Andry, amiko dia izy irery no nahavita nanongana an'i Ra8 teo noho ireto goaika antitra mapamadika palitao ts'ianinonts'ianinona ao ambadika ao.
Mitondra teny fampaherezana ho an'ireo izay hiaran'izao krizy izao mivantana aho, atao ahoana fa misy sacrifice indraindray hampadroso ny FIRENENA.
FEHINY: tsy izao aho no efa nampitandrina ny momba an'i Ra8 fa fony izy nanongana an'i DEBA tsy nety nandoha hetra. N'efa moa raha ilaina ny hiverenan'i DADA (l'intérêt supérieur de la Nation) tsy dia misy olana rehefa tonga saina izy ka mba mihaino ny vahoaka amin'izay, fa tsy manaonao foana toa ny oe "teny ambony roaplanina aho nieritreritra dia tapa-kevitra fa anao MAP, ary avy eo dia foanako ny haba-tsena hampidirako DABA...". Aleo ihany mihinan-kely toa izay mandry fotsy amin'ireto mpitady seza, maha mainty na maha fotsy ny fiainam-bahoaka ao am-badika ao.
A+