lundi, juin 09, 2014

HEVITRA IHANY



MUNICIPALITÉ
    Io fififdianana MAIRE IO no tena fifidianana hiankinan'ny FAMPANDROSOANA koa mahaiza mifidy. Averimberina matetika ny oe tsy ny mpitondra fanjakana velively irery ihany no mitondra fampandrosoana fa indrindra miainga amintsika tsirairay. Raha ny hevitro manokana dia haverina indray ny hetra isan-dahy amin'ny endriny vaovao, miankina amin'ny fidiram-bolan'ny tsirairay, (Fa izay itoeran'ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo Lioka12 : 34)  tsy de resaka vola fotsiny izy io fa:
1- mahatonga ny olona ho tompon'andraikitra
2- manosika ny olona ho sarotiny amny harenam-pirenena (lalana, fitaovam-panjakana,  fitsinjarana ny vola isam-paritra...)
3 - hanosika ny olona hiasa fa tsy hiraviravi-tanana.
     Fanamarihana kely, tadidio fa lalana mirefy 10 km fotsiny anie no maha fahirano an'i Faratsiho isan-taona izao e! (hatreo amin'ny km 18 mankeo Faravohitra),  samia tonga saina e! 



Jereo anie ireo olona eo amoron-dalana ireo raha tsy faly ery mijery fampisehoana tsy handoavam-bola e! 
 
FAMPANDROSOANA        
Voateny matetika ny oe tsy matoky ny mpitondra fanjakana, ny fanodikodianam-bola isan'ambaratongany, amiko de tsy zava-baovaovao velively izany ary tsy eto Dago ihany fa manerana izao totontolo izao.
...tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toa izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny:
handao azy amin'ny antenatenan'androny izany ... Jeremia 17:11
 Ny hiadiana amin'io voalohany aloha dia ny fanamafisana ny RAFITRA: tany tan-dalàna, fitsarana mahaleotena sy matanjaka, rafitra mpanadihady isanam-baratongany. Tsy hidika velively anefa izany fa tsy hisy ny manoham-pefy fa fanakelezana ny tarazo fotsiny. Ny tena harofanina dia izaho sy ianao, isika mianakavy  no mandray andraikitra. Efa voaozona amin'izany isika olombelona ...na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena  ,na mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa Jeremia  8: 10

...tsy ny 5 taona fotsiny no nandalo tetezamitatra fa efa hatramin'ny 1958, 54 taona lasa izay, voazanaka isika dia mbola tsy nisara-nono hatramin'izao, velon-dataka lava izao.
- Hiverina ny famatsiam-bola avy any ivelany: f'anga manantena fa volan'adala io vola io ka tsy hisy takalony, alainy ny ampahany amin'ny tanin'ny madagasikara manontolo vao tonga saina, azy daholo Ankorondrano manontolo, ny varotra goavana sy ambongadony rehetra...
- Mangataka amin'ny fitondran-panjakana izahay: fa iza no atao oe fanjakana e? Izaho sy ianao mitambatra, raha mpamboly ianao dia hataovy farafaharatsiny mahavelona anao sy ny ankohonanao izany manaraka taoraha vaovao fa efa maina io tanimbary io, raha mpivarota ianao dia ataovy mazava ny asa aloavy ny volam-panjakana farafaharatsiny ny TVA, raha mpanao asa-tanana ianao, ataovy misongadina ny fahaizamanao mba ho azo amidy lafo ny taozavatra, raha mpanao hotely ianao andraoy tsara lay sakafo sns...zany rehetra izany mitambatra no fandrosoana.
- Fanaovan-dalana: tadidiko tsara raha nanao lalana Ravalomanana dia ny valiny oe "...anagaha azo ohanina io lalana io...".Tarafina am fomba fijery roa ohatra io fiteny io:
1- marina aloha fa noana ny vahoaka, mila sakafo izy ary ilay vola nomen'ny mpamatsy vola dia tsy mankany am-paosiny mivantana. Ilay sakafo eny an-tsena, ronono, yahourt, fromage n'i dada tsy tonga tany am-bava,  tsy voavidin'ny sarambabe. Raha manaratsy an-ndRamose any am-ponja...
2 - 4x4 marobe no nande teny ambony goudron raha tsy hiteny afa-ts'reo an'i Solombavam-bahoaka. Ny mpanankarena no nahazo volabe tampoka tam varotra isankarazany (varotra maizina sy mazava).
 Tsy azon'ny vahoaka velively ny antony ilana ilay lalana, tsy nazavaina taminy mazava tsara oe io ny lalana fa miasa mafy amin'izay ianareo, mety tsy maintsy haverina ny vola nanaovana azy. Ho mora ny fanondrananareo ny vokatra amin'ny fifandraisana ara-barotra, mety hanankarena toa an'ingahy ndrina mpivarotra eo an-tsena ianareo. Tsy voatery hivarotra mora eto an-toerana ianareo  fa afaka mivarotra lafolafo kokoa any an-drenivohitra.
Ny mifamadika amin'izany no tao an-tsainy  "ho mora amin'izay ny famatsiana anay ary mahazo mangataka zavatra betsaka am fanjakana izahay, mora ny mifindra monina any an-drenivohitra".  Afaka mivarotra mofogasy,  mitsindroka rotra ary mitango manga amidy eny amoron-dalana..."nofon-kena natoraka alika"...
- Io fomba fijerin'ny any Amabnivohitra io de fomba fijerin'ny fanjakana ary aretina mahazo ny firenena mahantra aty afrika. Maika ery miandry ny famatsiam-bola avy any ivelany, famerenana ny AGOA, fifandraisana ara-toekarena atsy afrika sy aty amin'ny ranomasimbe "ocean indien". Rehefa tonga izany rehetra izany de mitsipona akotry fotsiny eo, fa tsy mieritreritra velively ny hanondrana any ivelany: ny vazaha no mandefa ity tsy an'asa avy any aminy rehetra ity zay efa ao anaty kajy amin'ny famatsiam-bola (famotsiana chomeurs fa tsy famatsiam-bola[2]). Ny karana no manankarena amin'ny AGOA amin'ity karaman'ny mpiasa iray 60 euros vidina pataloha iray vokarina eny Tanjombato. I Maurice no manana tany fambolena midadasika aty Dago (ovy 1 kg vidiny am centimes)...de ahoana koa ny manaraka.
Aoka izay, mifohaza amin'izay, ovay daholo ny lalàna raha ilaina izany, tsy mande amin'ny pièces ntsika akory. Sao dia mba lalam-panorenana hafa no mety eto Dago? Tribalisme, Feodalisme, federalisme, monarchie constitutionnelle fédérale à regime parlementaire, sns...fa tsy mety amintsika io karazana LALAMPANORENANA  faranitsihay io (jereo etsy ambany ny fanazavan'ny tompony azy[1]). Miseho milay daholo ity adala tsy hendry rehetra ity ka miseho oe mitondra ny feom-bahoaka. Ny Prezida tetikasa (politique générale de l'Etat)  nalaina tany amin'ny aterineto no novakina teny Mahamasina, KOPI KOLE an' Sarkozy...Raha mbola io karazana lalampanorenana  io de azo amboamboarina eo foana satria efa izay mihitsy ny hevi-dehibe ao anatiny. Tsy ho haintsika velively ny fampisaraham-pahefana:  ny mpanao lalàna etsy andaniny, mpanatanteraka ankilany, ary ny fitsarana (legislatif,excutif,judiciaire)...Tsiranana, Ratsiraka, Ravalomanana, ry andry Rajoelina avy no tompon'izy telo ireo, vao manomboka ry Hery Rajaoherimampianina dia efa hametraka fanjakana matanjaka = izy no mpanapaka sy mpandidy.
Hatreo indray aloha eo ampiandrasana antsika rehetra ho tonga saina, manaraka ny asa ataon'io fitondrana vaovao io.

PS: manankarena i madagasikara na an-tanety na ambaninin'ny tany,  io rivotra sy masoandro be omen-Janahary antsika io aza dia harena sarobidy TSY TAKATRY NY SAINA: mila oe olona iray avy any ivelany no nikabary izany teo ambony latabatra vao mino isika. F'angaha izany rangahy ity ho azo ahodina ho harena tampotampoka eo raha tsy misy ezaka bediabe atao a! Indrindra moa raha izao fomba fisainana izao no mitohy.

NOTES  
[1]...c’est le cas dans toutes les cours constitutionnelles du monde, puisque nous sommes dans le domaine constitutionnel et que la constitutionnalité des textes renvoie à l’équilibre du pouvoir au sein d’un pays, et qu’en sus des considérations juridiques, il y a bien évidemment des considérations politiques...
François Goldblatt ambassadeur de France à Madagascar.

[2]... mpamatsy vola:  tsy maintsy mitondra teknisiana  amin'arivony avy aty europe izy lazainy fa tsy manana isika. Lazaivo koa fa mila firy andro ny mampianatra antsika mitondra tractopelle, manao soudure, mitondra machine isankarazany  ny ingenieur ntsika anefa ry zalahy ihany no nanofana azy, avy taiza ny technicien supérieur ntsika????