jeudi, avril 22, 2010

DINIHO KELY ITY: Omeo aloha ny ohatra

Serasera.org Message N°35917
Miarahaba ny rehetra,
Ny attentat sy ny Johannesburg de tsy mahataitra anay loatra. Le voalohany aloha d'efa noteneninay matetika oe ireo tompon'andraikitra ao ambadiky ny Fitondrana anieny eo ihany no eo e! Formation continue reo, hatr@ Tsiranana ka hatr@...Andry. Tsy manameloka an'iza n'iza fa ny tantara no hitsara. Le faharoa (ACCORDS Dakaroa, Accord politique de Maputo, de ahoana ndray Accord de Johannesburg) de resaka henonay foana, ary efa fantatra fa le fomba GASY tsy mahalala ny ENY sy TSIA ndray no vokany (Message N° 35850 NY HEVITRA TERA-BARY)...wait and see
F'ity misy hevitra natsipin'ny namana ka mba nanintona kely ary zaraina

DINIHO KELY ITY: Omeo aloha ny ohatra
LaGazette, Jeudi, 22 Avril 2010 06:23


Mba mahagaga ihany ireto mpanao pôlitika eto amintsika ireo. Heverin'izy ireo ho tsy misaina ve ny gasy ka ilazany izao antsanga tsy aman'orana rehetra izao?

Mahagaga tokoa fa dia mbola misy ihany ny mizizo amin'izany hoe tokony hanao fampihavanam-pirenena izany. Tsy misy maharatsy azy izany fampihavanana izany, kanefa iza àry moa no hampihavanina eto ê? Raha mba nanontaniana ny tetsy sy ny teroa dia samy gaga tokoa, ary manontany ny hoe fa iza no miady?... Tsy miady tokoa ny gasy, kanefa hampihavanin-dry zalahy, hono.

Raha ny hita, amin'izao fotoana izao, dia ry zareo mpanao pôlitika no miady, ary tsy tena ady araka ny fahalalan'ny rehetra azy aza izany fa ady seza. Tsy mifanao totohondry izany izy ireo rehefa mifanena fa dia mifampiarahaba sy mifampitsikitsiky tsara. Raha ny re aza moa dia toa hoe niara-nifety tany Afrika tany ry zareo lehibe mpitarika tamin'ny fitsingerenan'ny vanim-potoana nahaterahan'ny iray tamin'izy ireo.

Ny manahirana ihany koa, na "mampatahotra" ihany aza ny milaza azy, dia toa eto an-drenivohitra, Antananarivo, eto ihany no misy an'io "ady" io. Eto ihany no itaizana azy io, satria… tsy mandaitra angamba izany any amin'ny faritra any?... Manahirana, na "mampatahotra" ny miresaka an'izany, kanefa amin'ny lafiny hafa dia azo lazaina fa mampiseho ny fahendren'ny Malagasy amin'izao fotoana izao izany. Ny be kajikajy, no sady ratsy taiza eto an-drenivohitra eto ihany sisa no mety ho voajono amin'izany fampiadiana izany.

Koa rehefa tsy miady ny ambanilanitra, mifandray tanana ny mpanao pôlitika "salantsalany", efa nifampizara sy mbola hifampizana "gatô" ny pôlitisianina ngezalahy, dia inona no ho antom-pisian'izany fampihavanam-pirenena izany ê?

Tsy maintsy misy ny miady, izay vao misy ny fampihavanana, koa dia mipetraka ihany ny ahiahy amin'ny hoe sao dia mba famoronana an'izany ady izany àry no tanjon'ireny baomba mipoaka etsy se eroa sy itony tsy fandriam-pahalemana miha henjana isan'andro itony?

Nahoana àry ireto pôlitisianina ireo no mananatra ny gasy, kanefa ry zareo no manana olana? Tokony ho izy ireo aloha no hihavana marina, satria any amin'izy ireo ny olana. Tokony ho izy ireo aloha no hanome ny ohatra vao…

Ny tena izy izany dia tokony mba handinika ihany ry zalahy ireo vao manitrikitrika sy mizizo amin'ny heviny ê.
Alain R.