lundi, octobre 22, 2007

Taratasy misokatra

Taratasy misokatra: hala-bato sy ny fomba ratsy fanao

Message 28920 sur 28920

Miarahaba antsika rehetra.
Saika tsy hiditra resaka politika ihany aho fa trop c'est trop.

Ity alefako ampahibemaso ny resaka nifanaovako tamin'ny namako iray.
Talohan'ny Fifidianana, tamin'ny fandalovako tany Dago, dia efa nahazo fampitahorana ny namana iray hafa, Maire ao an-tanana, "fa raha manohana ity namako ity dia henjahan'ny Chef de Region ary tsy havelany raha tsy migadra". Noho ny fatahoran'ity farany dia naleony
nipirina.

Toa izao izany taratasy izany:

"Miarahaba anareo mianakavy ao.Tsy fantatro na voaray itony e-mail itony fa halefako ihany aloha. Nilaza tamin'ialahy aho omaly oe misy mihaino ny téléphone-nareo. Rehefa miantso izahay dia fantatray izany, (I ... koa mantsy efa nisy nanao écoute téléphonique toa izao, izany no nampitsoaka azy any USA). Kilalao fanaon'ny fanajakana malagasy izy io amin'izao fotoana izao.
Techniquement dia izao no hafantaranay azy: ny anay mantsy ny téléphone dia par internet fa tsy tsotra intsony, noho izany rehefa mitéléphone anareo izahay ka misy écoute téléphonique dia fantatray avy hatrany satria tsy ianareo mivantana no mandray ny antso, tsy misy feo dia tapaka aloha....

Izao letsy no tena resaka a! Tao aorinana'ny nandalovako taty Dago dia nanandrana niantso an'ialahy foana aho, ankatoky ny fifidianana koa moa tamin'ireny, hiaraha-mahalala ny fahasahiranan'ialahy tamin'ny fikarakarana rehetra. Fantatr'ialahy ihany fa i PAPA tena tao
anatin'ireny FIFIDIANANA ireny tamin'ny fahavelony. "tay be izy io, ary mino aho fa mbola tohizan'io fitondrana io izany fomba ratsy izany". Io PV io anie letsy miainga hatrany amin'ny CANTON, alohan'ny hatongavany ao amin'ny DISTRIC dia voasolo tanteraka mihitsy e! Raha
tsy vita eo dia mitohy hatrany ny fika, ary PV hafa mihitsy no tonga any amin'ny Ministeran'ny Interieur. Hatreo dia tsy misy détails mazava hojeren'ny be sy ny maro mihitsy.

Ny problème dia tsy mahazo mijery an'io PV io mihitsy ialahy raha tsy mitory any @ HCC, eo indray ary mbola tantanra be fa "dérogations hafa indray izany". Tsara ho fanatatra ny tantara: ny fahafantaran'dRavalomanana izany fomba ratsy izany no nanonganany an-dRatsiraka, nolazainy hampahibemaso fa nahazo 54 % izy ary lany tamin'ny fiodinana voalohany dia nangataka fampitoviana ny valim-pifidianana rehetra manerana ny Nosy. Fantany fa tsy afaka
hanokatra ny PV intsony Ratsiraka satria io farany io dia nangalatra, izany oe ohatran'ny POKER no nataon-dRavalo ary ni-BLEUF koa izy oe nahazo vato (54%), ary manana ny vokatra (tsy fantatra izany).

Izay no tiako hambara, satria vaolombelona teo amin'ny tantara aho ary izaho mihitsy indraindray no nantsoin'i PAPA hanasonia "n'importe quoi" ireny PV sandoka ireny (tao an-trano teny Andrefatsena no niseho ny tantara, tsy mifidy toerana sy andrim-panjakana no azoanaovana io fomba ratsy io.
Tsindriko fa tsy RAVALOMANANA en personne no hanao izany fomba ratsy izany fa ireo mpanao Fanjakana rehetra ireo dia ny teo aloha ihany no mivadibadika eo ary ny aty aoriana mifamindra haitao eo foana. Noho izany refefa mandeha ny teny midina oe tsy manintsy laniana ny eo amin'ny Fifidianana rahanona dia mandeha ny fika rehetra.

Izay lesy fa amin'ny manaraka indray a! Raha tsy lany ialahy tamin'ity Députation ity dia tsy milaza velively fa tsy tian'ny vahoaka any amintsika. Ny tanatara lesy no hitsara a! Ary raha izao no fomba hanatanterahana izany MAP izany dia tsy haiko aloha na ny VAHOAKA no
hamitrana azy na ny mpitondra FANJAKANA e!

Ity mail ity dia mandeha eran'ny internet rehetra