vendredi, octobre 27, 2006

TSY MPIFIDY IZAHAY

TSY MPIFIDY IZAHAY: anay Madagasikara ramainandro
Messenger
Envoyer un e-mail

Miarahaba antsika rehetra Izahay dia mitonona ho anisan'ireo izay tsy nifidy nandritry
fifidianana taona maromaro izao. Maro an'isa hono izahay araka ny fanambaran'ny mpanao radio sy ny gazety ny télé moa tsy hitanay. (Plus de la moitié des électeurs malgaches se sont abstenus lors des dernières élections). Tsy oe olona tsy mieritreritra ny tanindrazanay izahay na tsy tia azy fa manana ny politikanay. (Nous travaillons, nous sommes solidaires entre nous, nous bâtissons Madagascar. La classe politique... nous l'ignorons. Le pays réel c'est nous).
.
Mpifidy ihany izahay taloha fa lasa pijery. Niova ny politikanay "mandinka ny tantara sy ny zava-bita, fa tsy mba mialoha lalana mpanao ny hoe : ôé! ôé! na ndao!, na tampotampoka eo dia tiako Madagascar sns...." Mafy ny anay ny fiainana ka variana miady amin'ny kapoaka izahay, tsy misy havana eo amin'ny fitondrana azo antenaina, na fianakaviana mpandraharaha hanavotra ara-bola. Ny anay nahazo seza aza tsy mahalala anay intsony.
Ny fanontaniana mipetraka aminay indray amin'izao ankatoky ny fifidianana izao dia, (voatery mba mieritreritra kely ihany moa satria fantatray fa tsy maintsy hisy mpitondra indray ity taninay ity) iza indray no aroson'ireo be tetika sy avaram-pianarana hiaro
ny tombotsoany?
Ny anay moa tsy mba ataonay hoe mpanao politika fa atao oe be tetika na be vinany, mpanome tailana, satria aminay izany mpanao politika izany dia mahantanteraka ny zavatra nampanantenainy fa tsy oe tetika hameno paosy. Ny tombotsoa moa; izahay dia tena tapaka tanteraka koa tsy misy tombotsoa arovana. Ny fianarana indray dia ireto zanakay ireto izao no hilofosana fa ny anay efa potika tanteraka natao sorona tamin'ilay atao hoe fanagasiana: SADY TSY NAHAY TENY VAZAHA IZAHAY NO TSY NIFEHY NY TENY GASY
Koa oy izahay oe, mitovy ihany izany na Ra8, na Zafy, na Dadilahy, i Dadabe Tsiranana moa aza no tena azoazonay satria izany no sisa hanaovanay revin-gadra hoe "E! rankizy taloha izahay mbola afaka nividy "bande déssinée" Akim sy ry Zembla" (any amin'ny mana-bokony
mantsy izahay no miaritra trefla)
Tsy miamboho adidy akory izahay ary tsy milaza oe tsy hifidy intsony mandrapahafatinay fa ity resaka fanindraindrana olona ho fidiana ity dia sinema efa fahitanay foana.

Mbola tanora vao nisondrotra izahay no nantsoina oe"ndao roahana ny vazaha, hitolona amin'ny adi-tsaranga isika, hanangana firenena ahitana fitovian-jo sns...". Fampanantenana nahavelom-bolo tamin'izany ary izahay efa mba neritreritra firenena paradisa an-
tany. Ay ry zalahy mpitari-tolona lasa nitsoaka tany an-dafy, rehefa tsy nahazo fitondrana. Taty aoriana, rehefa hitanay fa fanantenam-paokaty izany, dia mba nanao fanonganam-pajakana (tsy havanana amin'ny fitadidiana ny daty isan-karazany moa izahay fa ny taona 1991 tsy adinonay fa saika namoizanay ny ainay). Nozeran'i Deba ny grenady teny Iavoloha izahay fa tena mba vonona fa anongana an'i lery amin'ny fomba rehetra.

Avy eo, naroson-ndry zalahy be vinany ho fidinay indray ity olona tsy mpanao politika hatr'izay niainany dia ianareo avara-pi no mahafantatra ny tohiny. Efa mailo ihany izahay, oy izahay oe "hiaro ny tombotsoan'dry zalahy matanjaka indray io fa tsy maninona izany,
tsy hiavotra kely eo ve isika". Ay tena vao maika K.O total, ny vidim- piainana tsy tanty intsony, ry zareo nameno paosy.

Leo tanteraka izahay ary rehefa nahatsapa izany ingahy be satroka penjy dia mba nampifidy anay; tsy nasinay sira fa tena leo tanteraka izahay.

Miverina indray ity ny senariô, ity indray no ady eo "Ra8, tiako Madagascar" dia ahoana ?. Notairin'i Deba tao i lery , mikasika ny orin'asany, dia tapa-kevitra fa hirotsaka ho fidiana prezidà, fa amin'izay izy afaka miaro ny tombotsoany tsara. Aminay dia tsy misy hidiran'ny "sentiment" mihitsy izany atao hoe olona ho fidina, fa ny zava-misy sy nolazaina taminay no averinay; efa leom-boanana omaly izahay. Ny fampanantenana dia refrain efa ainay tsianjery.
Tsy afaka hitsara azy izahay amin'izao fotoana izao fa na ny fifidianana aza mbola tsy vita. Afaka miteny kosa izahay raha ny momba ny affaires-ny hatramin'izay. Nanao ampiamamba izy teo amin'ny sehatry ny fitrandrahana ny ronono.
Tsy nandoa ny zavatra tokony aloha rehetra teo amin'ny hetra sy haba isan-karazany tokony ho vola miditra ho an'i Madagasikara Ra-8. Voaaro tanteraka izy nandritry ny fitondrana maro . Asaivo alohany aloha izay tokony alohany dia miresaka isika. Victime ny tombo-tsoa azon-ndRa8 taloha izahay satria raha mba nitrandraka ny ronono taty amin'ny faritra misy anay (mpanao ronono Antovontany, BCL, Fifamanor, kiso-omby... ny farintaninay manontolo)
dia atody niady tamam-bato teo amin'ny seahatry ny tinady. Ny zavatra novokarinay raha mifampitaha amin'ny vidin'entana atolotr'i Tiko dia tsy azo amidy .Mazava ny antony satria mora ny azy ny masonkarena, nahazo tombon-tsoa manokana izy. Raha milaza ny lehilehy fa hamerina an'izany, mbola ho hita eo ihany . (Nanome ny soa betsaka tamiko i Madagasikara ary afaka manao izany amin'ny fianakaviantsika izy.)

Hatreo aloha dia mety hifidy an-dRa8 ihany izahay na dia mbola ananay trosa aza izy ary milaza hamerina izany. Indrindra moa raha mifanandrina amin'ny fiodinana faha-2 izy sy ny Deba (ataonay oe Deba ny iray satria mba mijery ireny film vdéo misy ireny mafia ireny
ary ny Deba ilay manana ny fahefana rehetra).

Araka ny mahamailomailo anay anefa dia mitovy ihany ireo olona eo ambonimbony eo ireo satria aminay dia mifandray tendro ihany izy ireo fa vazaha mody miady, Ra7, Ra8,Raza, Ra5(Radidy), (...la classe politico-économique qui dirige notre pays depuis des décennies ?..
Car ce sont les mêmes, qui continuent leur route et leur enrichissement personnel en méprisant notre peuple et notre patrie. Ils changent d'étiquette, de "communistes" deviennent "libéraux" et ensuite peuvent, si besoin, devenir encore autre chose... ) hatreo indray aloha fa hita eo ihany e!

dimanche, avril 30, 2006

TERAK'I RAMAINANDRO



                       FAMPIDIRANA

Tsy afaka hitompon-teny farany ho terak'i RAMAINANADRO na terak'i FARATSIHO irery isika fa marobe any ambadika any, manerana izao tontolo izao.Noho ny fivelaran'ny internet dia hampiasaintsika izany hifandraisan'ny tsirairay avy na aiza misy azy na aiza.Sokafana ity BLOG ity mba hafahana mifanakalo, tsy soratra irery ihany fa na sary na vidéos.Hampiasaintsika ny teny rehetra toa ny firesahana an-davanandro ihany.Hiangaviana mba tsy hiresaka POLITIKA isika fa misy toerana hafa azo hanaovana izany.Fifanajana no mamaritra ny resaka hifanaovana eto.Ny tanjona dia ny hanasoa ny Tanindrazantsika ary tsara raha miainga amin'ny any amintsika aloha (Ramainandro/Faratsiho)Efa niatomboka tao amin'ny " forum moov.mg" ny fifandraisantsika, nefa nohon'ny naha SDF (sans domicile fixe) antsika dia nofafana daholo ny forum tao. Noho izany, sokafana ity BLOG ity mba hanana tokatrano isika fa tsy hampiantranon'olona intsony.misokatra ary ny resaka koa dia mahazotoa.
                
                 TARANAK ‘ I  RAMAINANANDRO
                               (T  E  T  I  -  A  R  A  N  A )
Ny  niandohan-dRAINIBEHORAISINA sy RAZANAKA  vadiny RAZANAKA mianadahy avy, renin-dRASENDRANORO
Razambe nihaviana voalohany dia RAMAROFOMPOASA tao AMBOHIBOLOLONA atsimon’Imerintsiatosika, antsinanan’Ambohitrantenaina. Izy niteraka an- dRAZAFIMBOHANGY.
     Ireto no zanak’i RAZAFIMBOAHANGY
1 - RANDRIAMAMINDRAFONIARIVO (lahitokana – miaramila);
2 – RATSARATOKALO ( avaratra’Arivonimamo);
3 -  RATSIMANOMPOHOVA  tao Ambohibololona;
4- -RATSIAZOMPANIRY nanambady an-dRAINIBEHANTA;
5 – NENISOLO na RASOLO tsy niteraka.
Iray lamba ireo afa-tsy RATSIMANOMPOHOVA milevina any Ambohibololona sy RANDRIAMAMINDRAFOINIARIVO izay mikamban-damba amin-dRAMIANTOANDRO sy RAINIBEZA ary RANDRIAMIHAJA milevina ao RAMAINANDRO: farafara an-dany atsinanana ambony no misy azy.
Fanazavana: RATSARATOKALO tamin’ny andron’ny Manjakahova, nipetraka tany  Ambohitrambo niteraka an’Ingahy ZAFIMINAHY izay nanambady an-dRABODOSAKALAVA  zanak’i RATSIAVALONA (vavy) avy any Antanamalaza
Ingahy ZAFIMINAHY niteraka 9 mianadahy, dia ireto avy:   
  1 - RAZAFINIARY;
  2 – RAINIMANITRA, na RATSIZEHENA;
  3  - RAINIBEZAKAINA;
  4 -  RAZAFIMPANANA;
  5 – RENIMASONDRANO, na RASOANARAHANA;
  6 – RAINIBEHORAISINA, na ISANDRATANA;
         zafiny: RAZAKINIARY izay niteraka an’i: ( *)
                                        RAINTAVY-TRIMO,
                                        RAZAFINIARY,
                                        RAINIJESY,
                                        RAINIZAITSIMANAHY,

  7 –  RAHAKO
  8 – RAHAJA
  9  - RAFARAVAVY-TAKOLAKA
( *)       Fanitsiana vita an-tsoratra tamin’ny “BOKIN-dRAOBY”.
Ny atao oe “BOKIN-dRAOBY” dia ny kahie “Teti-arana’ nosoratan’i Jérôme ROBINSON tamin’ny Aogaositra 1957 tao Andranonanahary.    
NOTA –
I . RAZAFINIARY nanambady an’i MISARIVO  tany Ambohitrambo, dia nisaraka taminy ary nanambady an-dRAINIANTOANDRO na INGAHIAKONDRO ary niteraka fito mianadahy, dia ireto :
          1 – RATOMPOHAJAINA izay niteraka an-dRAMIADANA sy RAZAFIMAHEFA mianadahy avy;       
          2 – RAINIKOTOARIVO nanambady an-dRAMANANA, ka niteraka an-dRANDRIAMANOVONA mianadahy avy;       
          3 – RASOARY;       
          4 – RAINIZAFIKOTOMANGA;        
          5 – RAMANANKASETRA;        
          6 – RAINITIMBATSIMANDRESY;           
          7 – RABEVAZAHA;  
Narian-dRAINIANTOANDRO rainy izy fito mianadahy ireo, ary nanangana ara-dalana an-dRAMANANKISANA, RENINGORIHOVA ary RAJARISON  izy.

II . RAINIMANITRA na RATSIZEHENA nanmbady an-dRENIMANITRA izay niteraka 12 mianadahy, dia:
            1 – RAZAKANERA tsy niteraka;
            2 – RAMAHALIARIVO niteraka an-dRAMAHALISONA  mianadahy avy;
            3 – RAMANITRA niteraka an-dRAZEFANIA MANITRERA mianadahy avy;
            4 – RASOANARIVO (sage-femme) tsy niteraka;
            5 – RASOAFANIRY, niteraka an-dRAJONAH;
            6 – RASOAMANERA tsy niteraka;
            7 – RATOMPONIARY,niteraka an-dRAKOTONARY  sy RAMANANJANAHARY mianadahy avy;
            8 – RAHELY vadin-dRANDRIANANGALY niteraka an’i FRANCOIS mianadahy avy;
            9 – RALAIVAO, niteraka an’i Rev. ELIE-JEAN, ny Eveka  Jean MARCEL mianadahy avy;
          10 – ROBELINA  tsy niteraka;
          11 -  RANDIANINA, nanambady an’i Rev. RAINIBARY, niterka ani Jean Baptiste BISO mianadahy avy
          12 – RAZAFINIMANANA.
          RAINIMANITRA, vadin-dRENIMANITRA izay iraitampoho amin-dRAININGORIHOVA, RAINISOANANGANORAVAO, RAMIARANA, RATSIDISO, RAMIADANA, ary RAINIJAONARY  izay samy zanak’i RAFARALAHIMANGA sy RASOANINDRANA.

III . RAINIBEZAKAINA nanambady an-dRASOAVINONY na RAFARA anabavin-dRAIMASONDRANO tsy niteraka

IV . RAZAFIMPANANA nanambady an’IZOKILAHY, rahalahin-dRAFARALAHIBELAHY, ary niteraka an-dRAINIZAFITSIMANAHY, RAINIJESY na RAFARALAHIBIBY manadahy avy ary RAZANAKINIARY.
V. RENIMASONDRANO na RASOANARAHANA, vadin-dRAINIMASONDRANO, niteraka:
            1 – RAININDRIANANGALY;
            2 – RANDRIANARANA, rain-dRANDRIANALISANDY;
            3 – RAMBAHINORO, reni-dRAZAFINIMARO mianadahy avy;
            4 – RAFARALAHIKODIA;
            5 – RANDRIANANGALY niteraka an-dRAKETAMANGA mianadhy avy;
            6 -  RASOANAHINA;
            7 – RABEZAKAINA;
            8 – RAFARAMANANDRINA;
            9 – RAMASONDRANO;

VI . RAINIBEHORAISINA nanambady an-dRAZANAKA  niterka 5 mianadahy:
             1 – RABEHORAISINA;
             2 – RASENDRANORO
             3 – RAMANANKISANA;
             4 – RANGITA
             5 – RAKOTOTO-JAFETRA

VII . RAHAKO vadin-dRAINITSARAIBE  tao Mananety-Sud, niteraka an-d:
             1 – RATSARAIBE, renin-dRAZAFINDRAMASY;
             2 -  RAMOHARA rain-dRABERINARY minadahy avy;
             3 – RAMPANARIVO;
             4 – RASOAMINAHY  tsy niteraka;
             5 – RAMIHANTA niteraka an-dRAKOTONDRASIKINA;
             6 – RABESAHA;
             7 – RAINIZANABARY (Rainibary), zanak’i RAHAKO sy RAMAFADRAHONA (Rainimasoandro)

VIII . RAHAJA, nanambady an-dRAINISOANANGANO?, niteraka an-dRABEFANIRAKA.

IX . RAFARAVAVY-TAKOLAKA nanambady an-dRAINIMASONDRATSITOHAINA, niteraka an-dRAMASINDRAIBE? Rai’i:
           1 – RAFAHELY;
           2 – RAZAFINDRAINIBE, nanambady an-dRAHASINERINA, niteraka an’ITOKISON mianadahy avy;
           3 – RASOAMASY tsy niteraka.

FANAZAVANA FAHA-2:
         .  RATSIMANOMPOHOVA rahavavin-dRATSARATOKALO, zanak’i RAZAFIMBOAHANGY tao Ambohibololona niteraka an-dRAINITSITOHAINA izay lany taranaka hatreo amin-dRASALAMAHOVA zanany
          . RATSIAZOMPANIRY, zana-dRAZAFIMBOAHANGY, nanambady an-dRAINIBEHANTA tao Miadampihaonina niteraka 3 telolahy dia:
             1 – RABEHANTA na RAINIZANAKA;
             2 – RAINANTOANDRO, na RAZAFIHAJAINA, na INGAHIAKONDRO;
             3 – RANDRIAMIHAJA maty fahakeliny.
         .   4 -  NENISOLO na RASOLO tsy niteraka
            Iray fonosana ireto manaraka ireto (mipetraka an-tsisiny indrindra laharana faha 2, farafara atsinana-ambony):
RANDRIAMAMINDRAFONIARIVO – RAINANTOANDRO –RAINIBEZA ary RANDRIAMIHAJA

Nota – II:
             RABEHANTA na RAINIZANAKA, zana-dRAINIBEHANTA, NANAMBADY an-dRAZAFIKOVA, niteraka 6 enina mianadahy, dia:
            1 – RAZANAKA niteraka 5 MIANADAHY:
                                              a – RABEHORAISINA
                                              b - RAKOTO-JAFETRA
                                              d - RAMANANKISANA
                                              e – RASENDRANORO (renin’i Rev. RABESANDRATANA)
                                              f – RANGITA         
             2 – RAHANTA tsy niteraka.
             3 – RENINGORIHOVA atao hoe RAVAOMIARANA, niteraka an-dRAZANABAHOAKA mianadahy avy;
                                               a – RABARIJAOANA
                                               b – RAJOSOA (rain-dRAZAFINDRASATA Jaondahy)
                                               d – RAZANABAHOAKA
                                               e – RAFARALAHY
                                               f – RABEMANANJARA
                                               g – RAZAFINANTOANDRO.
               4 – RANDRIANADAORO tsy niteraka.
               5 – RAJAONA niterka 12 roambinifolo dia:
                                               a – RAOSERA
                                               b – RAJOSEFA
                                               d – RAJARISAONA
                                               e – RAMARIA
                                               f – RABEDASY
                                               g – RASITERA
                                               h – RAHASINERA
                                               i –  RAKOTOMALALA
                                               j –  RAZAFINDRIANA
                                               k – RASOIASITERA / RAZAFIMPAHA
                                               l –  RAKOTONIABA
                                              m – RAZANAMPAMONJY
           6 – RAINIBEZA  maty tsy niteraka.

FANAMPINY:
RAINIRAHONA avy any Antsahamamy (ANDRIANA) anilan’Ambohipiara, faritanin’i Marovatana, niteraka an-dRABERAHONA.
RABERAHONA  nanambady an-dRASALAMA avy ao Ambohibololona niteraka 6 enina mianadahy dia:
                1 - RABODOFIRINGA;
                2 – RAINITSIRANGA;
                3 – RAINITARO;
                 4 – RAZAFINKOVA; na RENIZANAKA;
                 5 – RALOHA;
                 6 – RAFARALAHIMAHALA  na RAINVAOHITA.

NOTA III.
               1 – RABODOFIRINGA niteraka an-dRAINIMIADANARY izay niteraka:
                                              a – RAMANAMIZAO, rain-dRABEARISOA;
                                              b – RAMIADANARY;
                                              d – RABEMANGA;
                                              e – RAOSERA;
                                              f – RAZAFIMBAHOAKA;
                                              g – RASOARY niteraka an-dRAZANADRATOMPO;
                                              h – RAVAO niteraka an-dRAMALA.
               2 – RAINITSIRANGA niteraka an’i TSIRANGA na RAINIMAROTATANA tao Ambihitrantenaina.


              3 – RAINITARO niteraka an-dRAMENA (nakamban-damba amin-dRANDRIANADAORO mivady ) laharana fahatelo, eo afovoany no misy azy, farafara atsinana ambony.
              4 – RAZAFINKOVA na NENIBEZAFY  niteraka 6 enina mianadahy voalaza ao amin’ny
NOTA II               
              5 – RALOHA niteraka an-dRAINITSIATOSIKA  ao Ambohitrantenina.
              6 – RAFARALAHIMAHALANA na RAINIVAOHITA, niteraka an-dRAVAOHITA ao Antenimbe  izay niteraka an-dRAZAFINDRATSIRA  mianadahy avy (rafozan’i RAHELIJAO Samson,  zanak’i RABODORAIVO sy RAJAOMANERA ao Andranonanahary) sy RAINIZAFINDRAHONA  ao Ankazotsipihana

FANAZAVANA FAHA – 3 :
            . Teny fanazavana sy fanondroana momba an-dRAINIBEHANTA na RAKOTONIRINA ao Miadampaonina izay niterka 3 telo mianadahy voalaza ary aloha.
 Rehefa mankaty amin-dRAZAFIMBOHANGY reniny RATSIAZOMPANIRY vadin-dRAINIBEHANTA, ary nanangana ny vadiny sy RAINIMAVO KOTOMAINTY zanakanabaviny, ny haren-dRATSIAZOMPANIRY dia tsy nitondra azy fa napetrany tamin-dRAIBEHANTA ihany ho an’izy 3 telo mirahalahy.

FANAMPINY FAHA- 2:
     . RABODOSAKALAVA vadin’Igahy ZAFIMIAHY dia zanak’i RATSIAVALONA vadin’INGAHIDASY dia nampirafy an-dRATSIAVALONA sy RAZAKA.
RABODOSAKALAVA sy RAMIAKO no zanak’i RATSIVALONA.
INGAHIDASY tamin-dRAZAKA vadiny rafin-dRATSIAVALONA dia niteraka an’ireto:
                  1 – RAINISOANARABO (nanambady an-dRALANDY);          
2     - RAMIALY (renin’i Rev.Maurice RASAMUEL mianadahy avy);
3     – RATOANDRO vadin-dRAINIMAVO tany Manalalondo;
4     – RAINIVONIARY;
5     – RAMAHAVERINALY
6     – RADANIELA;
7     - RALIZAH.


FANAZAVANA FAHA -4:
                  1 – RAINISOANARABO niteraka                                       
                                         a – Ingahibe MANDANIARIVO
                                         b – RABENJA vadin-dRAGITA;
                                         d – PETERA;
                                         e –RAKOTOVAZAHA;
                                         f – RAZANAMANGA;
                                         g – RAZANAMINO  (kambana);
                                         h – DAMARISA (rafozan’i Rev. Etienne RAKOTOARISAONA ;
                                         i – RAZAY ;
                                         j – RASOAMAVO.
                   2 –RAMIALY vadin-dRANIASY niteraka :
                                         a – RASOARAY;
                                         b – RATOMPOZANAKA;
                                         d – RAZAHAY;
                                         e – RASAMUEL  Maurice ;
                                         f – RAJOELINA-RAMINOSOA ;
                                         g – RATOMPOALY ;.
                   3 – RAINIVONIARY nanambady an-dRANGORY niteraka an-d:                              
                                         a - RATAVY (renin-dRAKOTOVAO sy RAZAFINDRASOA).
                   4 – RAMAHAVERINALY nanambady an-drainimanilo6tsimisata niterka:
                                         a – RALINERA;
                                         b – RASOAMIHAKO;
                                         d – DANIEL;
                                         e – RABOZIVAO;
                                         f – RAOSERA;
                                         g –RAHASINERA;
                                         h – RAVONIMBOLA.
                   5 – RADANIELA na Ingahy DANY nanambady an-dRASITERA, niteraka an-d                                       
                                        a - RAHELY vadin-dRAZAKANERA (milevina ao amin’ny tokontanim-piangonana Ramainandro).
                    6 – RALIZAHO  nanambady an-dRAINITOMPOLOMANGA tao Tsiafakamboa, niteraka:
                                        a - RAJOSEFA;
                                        b - RAOSERA;
                                        c - RAHASIMBOLA;
                                        d - RAJONAH;
                                        e - RAFARALAHIBIBY ;

(*) – Tsy voalaza ny momba an-dRATOANDRO  vadin-dRAINIMAVO tany Manalalondo, teto.

FANAZAVANA FAHA – 5:   
         . Ingahy ANDRIANJAZA milevina ao atsimon’Antafofo nampirafy an-dRABETAVA sy RAZAFIMBOAHANGY.
            Ny zanak’Ingahy ANDRIANJAZA tamin’dRABETAVA  dia:
                                       a – RAZAKA
                                                 b1 – RATSIMANOMPOHOVA
                                                 b2 -  RANTOANDRO
                                       d – RINIMALALA izay nanambady an-dRENILANDY niterka an-dRALANDY  vadin-dRAINISOANARAKO tao Ambondrona.
                                       e - RAINIKOTOVAONANDRAVINA  nanambady an-dRATOANDRO niteraka an-dRASOAHANTA  vadin-dRAINITSARAIBE-MANARANTSOA rain-dRAINIZANAMARY, RABARY, RABETORAKA, JAONA MAMALY, RASOAVONINDRIAKA.
                                       f – RAINIMAHARAVO niterak an-dRAMAHARAVO
                                       g – RANTOANDRO niteraka an-d:
                                                g1   - RAMIARIJAONA izay niteraka an-d
                                                g2   - RAINISOAMANAMBELO sy
                                                g3   - RAINISOANDRIANIAINA.
                                                g4   -RAINISOAMANAMBELO nanambady an-dRABODO niterka an’i
                                                                        ga  - Rev.RANDRIAMANDAHATRA,
                                                                        gb  - RASOAMANAMBELO,
                                                                        gd - RANDRIAMANJAY.
                                       h –RANDRIAMANITRARIVO (lahimatoa).


                                 -----------------------xxxxx---------------------



                                               AVY AMIN-DRASOANAVONY, VADIN-dRAJAONA
                                                         Renin-dRAJARISON mianadahy avy.


.Ingahy RASAKA tao Ambohitraivo niterka an-d:                                
-      RANDRIANJANAKA;
-      RAFARALAHY HALY;
-      RASOAHITA;
-      RASOAVINANGY;
-      RAMAITSO.
. RASOAHITA voalaza eo ambony, nanambady an-dRANITSITOHAINA tao Antenimbe niteraka an-d:
                 -      RAINIBARY;
                 -      RAVOLO sy RANDRIAMAHERY;
                 -      RAINIMANGA;
                 -      FARALAHY FOTSY;
                 -      RASALAMA LEHIBE.
                 -      RASALAMA LEHIBE niterka ny vadin-dRAINISOANANGALY sy RAVAOZENY.
                 -      RASOAVINANGY niteraka an-dRATANDINDONA na RASOANARIVO tao FENOARIVO. Nidina tao Ambohitraivo RASOAVINANGY, dia nanambady an-dRAINIASY avy ao Morarano Avaratra dia niteraka an-dRASOAVELO sy RATOMPO (vadin-dRAINIMBALY tao Andranonanahary izay tsy niteraka)
                   -      RASOAVELO niteraka an-d:                            
                   -      RALAIVOLA;
                   -      RAZAFINDRASOA;
                   -      RAJAONASY;
                   -      RABENIAZY na RANDRIANARIJAONA.
    . RAMAITSO zandrin-dRASOAVINANGY nampirafesan-dRAINIASY izay niavian-dRAJONAH RAINITSARA TAO Ambohitraivo.
    .RAHASY na RAINIARIVO  zandrin-dRAINIASY nampanambadiany an-dRASOANARIVO sady natsangan-dRAINIASY izy mivady.
Io RASOANARIVO mivady io niterka an-d:
                  -      RAINIZAFINIMANANA na RARIVO;
                  -      RASOANAVONY (renin-dRAJARISON mianadahy avy);
                  -      RAINIZANAHOERA;
                  -      RAINIZANAMANANA;
                  -      RAHAJAMANANA (renin’i Rev.ELIE-JEAN mianadahy avy);
                  -      RABE (marijina);
                  -      RASOANANDRIANINA (renin-dRAJAONARIVO).;
    .RAINIZAFINIMANANA nanambady an-dRATOMPO, tsy niteraka taminy ka nanangana an-dRAZAFINIMANANA  sy RASOANANDRIANINA.


FANAZAVANA FAHA – 6:
      .RABODOFOTSY  anabavin-RAFARALAHILEMANGA niteraka an-d:
                  -      RAINIASY;
                  -      RAINIZAKA;
                  -      RAZONIA;
                  -      RAINIARIVO na RAHASY.
    .RAFARALAHILEMANGA  nanambady an-dRASOANIRINA (Ingahy VALATELO no niteraka an-dRAFARALAHILEMANGA sy RABODOFOTSY).
     Ireto no naterak’i RAFARALAHILEMANGA sy RASOANIRINA:
               1 – RAVAO izay nanambady an-dRAINIARIVOKELIFEO niteraka an-dRAISOANANDRIANINA  sy ny namany;
               2 – RAINISOANANGANO rain-dRABEFANIRAKA;
               3 – RAININGORIHOVA rain-dRAZANABAHOAKA  mianadahy avy;            
               4 – TSIDISO;         
               5 – RENIMANITRA  renin-dRAZAKANERA mianadahy avy;
               6 – RAMIARANA;              
               7 – RAMIADANA;
               8 – RAINIJAONARY BETOANDRO.
    . RAINIASY  nanambady an-dRASOAVINANGY  sy RAMAITSO, izay nirafy tamin-dRAMIALY tao aoriana (izay voalaza ao amin’ny FANAZAVANA FAHA- 4 ny zananay)
    .RAINIZANAKA rahalahan-dRAINIASY nanambady ny rahavavin-dRASOABE, dia niteraka ireto:            
              1 – RAMAROZAKA  izay nanambady an-dRASOAVELO niteraka an-d:
                                     a – RALAIVOLA mianadahy avy;         
              2 – RAVAO nanambady an-dRAINIFARIHY ka niteraka an-d:
                                     a – RAMANANERA, vadin-dRAINIZANAMANANA niterAka an-d
                                                      - RAJABELINA
                                                      - RATOMPONIERA
                                                      - RAHARIMANANA
                                     b – RAVONY, vadin-dRALAIVOLA, niteraka an-d:
                                                      - Rev.RALISAONA
                                                      - RASOAZANANARY renin’iMaria;
                                     d – RAMARIA;
                                     e – RAFARA;
                                     f – RAZAFINIMANANA vadin-dRAJOSEFA n’Ingahy RAJONAH          niteraka an’i
                                                       - RAZAFINIARIVO
                                                       - NAIVO
                                                       - MAVO
                                     

Taty aoriana, rehefa maty ny vadin-dRAINIZAKA, dia nanambady an-dRASOABE izy ka niteraka  an-d:
-      RATOMPO ary RATOMPO nanagana an- 
dRAZAFINIMANANA

             3 – RAZAFIMINAHY nanambady an-dRAINIASIMBOLA  tao Ambohipisaka, ka niteraka an-:
                                    a – dRAINIVONIARY
                                    b – dRAINIMIADANA na RAINIZAFINDRASOA



NOTA : I - 
     .  RAKASA avy amin-dRAINIBEHANTA nanambady an-dRAINITSIANDROVA, rain-dRAINITSRABEMAROSANDRATANA ( rain-dRAINITSARA).      
           .- RAINITSARAIBE (RAMAFADRAHONA)  nanambady an-dRAHAKO  anabavin-dRAINIMANITRA, dia niteraka an-d
 -     RATSARAIBE
-      RAMOHARA
-      RAMPANARIVO
-      RAMIHANTA
-      RASOAMINAHY
-      RABESAHA
-      RAINIBARY 
              
           1 – RATSARAIBE nanambady an'Ingahy MANDANIARIVO, niteraka  an-d                                                          a - RAJAOMANERA
                             b- RABARIJAONA
                             d - RAZAFINDRAZAKA
                             e - RAZAFINDRAMARY
                             f - RAZAFINDRADASY
                             g - RAZAFIMIHAKO
                             h - RAZAFINDRAKASA                              
                              i -  RAKOTOARIVO Théophile (zanak’i RASOANARIVO tamin’Ighy MANDANIARIVO)
           2 -  RAMOHARA vadin-dRAZOHARY  niterka an-d:
                              a – RAJAONA Bernard
                              b – RABEMANANJARA
                              d -  RABEMANANTSOA
                              e – RAVAOSOA
                               f – RAVAOMANANA
                              g – RAVAOARY
           3 – RAMPANARIVO niteraka an-d
                              a – RAJAKOBA
           4 – RAMIHANTA niterka an-d
                              a – RAKOTONDRASIKINA izay niteraka an-d:
                                                                 - RANDRIAMIHANATA
                                                                 - RAZAFIMAIHANTA vadin-dRABENOSY
                                                                 - RAZAFINDRASATA
           5 - RASOAMINAHY  tsy niteraka.

II  -  RASOARAY anabavin-dRAINITSARAIBE, zanak’i RAKASA tao Mananety dia nanambady an-dRAINIANJA  avy any Manalalondo ary niteraka an-dRAINIBEFAHATRA tao Andohanivarahina sy RAINIJAO tao Manalalondo.

III – RENISOANALY na RASIKINA, nanambady an-dRAINISOANALY tao Andrefan’Andapa niteraka an-d:                     
            1 – RAINITSIMANDRESY NDRENAINA tao Ambohitsivalana izay niteraka an-d:
                                        
                             a – RATOVO TRABONJY
                             b – RAZAFIMIARANA
                             d – RAZAFINDRAKASA
                             e – RAINIZANADRAHONA izay nanambady an-dRAMIHANATA niteraka
                                                                    - RAKOTONDRASIKINA

IV -  RASOATAMBAHY nanambady an-dRAISOANANGANO niteraka an-dRASOANANGANO atao hoe RASOAVOLOLONA, vadin-dRAINIMANATSINJO tao Andranonanahary izay niteraka an-dRAJOELINA mianadahy avy.
Nisaraka tamin-dRAINISOANANGANO i RASOATAMPALY dia nanambady an-dRAINISALAMALAHY tao Ankerana izay niteraka an-d:
            1- RASOANANDRIANINA vadin’i Rev.RAJAONARY  tao Ambohitrandriamanitra;
            2 – RASOANIARY vadin-dRATSIZAFY  NITERRAKA an-dRAZAFIADANA mianadahy avy;
            3 – RANDIANINA vadin-dRAFILIPO zanak’olom-pirahavavy amin-dRAZEFANIA MANITRERA mianadahy avy.

NOTA II
                                                -----------------

            
                     NY TERAK’I RAINIBEHORAISINA SY RAZANAKA

I – Niteraka 5 dimy mianadahy izy dia:
    1 – RABEHORAISINA  izay tsy niteraka, nefa nanangana ireo iray tampoho aminy sy RAJONAH  zana-dRASOAFANIRY vadiny.
  
 2 –RASENDRANORO  niteraka an-d:
                   a - Rev. Joël RABESANDRATANA                          
                   b - Jérome ROBINSON
                  d –RANDAMINA
                  e - RAZAFINDRAZANAKA  Rabodoraivo nananbady an-dRAJAOMANERA (NOTA I . III)
                                 RAHELIJAO SAMSON (MOI)
                                 RANDRIANARISON Michel
                    f -  ELIZA EMELINE
                    g - RASOAZANANORO
                    h - BOZY BE
                    i – RASOANJIVANORO Jeanne niteraka 10 mianadahy
                    j - Alban RAMANOKORAISINA                              
                    k - RAMAROSANDRATANA 
      
3 – RAMANANKISANA niteraka an’i
                   a – JOSEPHINE
                   b – Elezara RAMANATSANDRATANA
                   d – SOLO
                   e – RIVO
                   f – HELDINE
                   g – BONARD (Ramainandro)
                   h – CYPRIEN
                   i – SUZANNE
                   j – EZFANIA
      
4 – RANGITA niteraka an-dRABENJA MARC, maty tsy nanambady.
      5 – RAKOTO JAFETRA  tsy niteraka anefa nanangana ireo zanakanabaviny.
 (*) RAINIBEHORAISINA  sy RABEHORAISINA  ary RAKOTO JAFETRA zanany dia milevina ao Raminandro (fasana ambonin’ny Tranovato) – miray fonosana ary mipetraka amin’ny farafara atsimo, amin’ny ambony – izany hoe ambanin’ny farafara misy an’Igahy RAJAONA rain-dRAJARISON – araka ny famonosan-damba natao tamin’ny 28 Aogositra 1957. Rev.RAMANANANKASINA  sy ny zanany miray lamba aminy ka dia nafindran’ny vady amanjanany eo ambony atsinanana misy ny razambe.

II – Ny fizarana ny farafara amin’ny Fasana ao RAMAINANDRO.       
        1 – Farafara roa avaratra an’ny Terak’i RAINIMANITRA       
        2 – Farafara iray atsimo-ambony an’ny terarak’Ingahy RAJAONA       
        3 -  Farafara iray atsimo-ambany an’ny Terak’i RAINIBEHORAISINA;       
        4 -  Farafara iray atsinana-ambony  natokana ho an’ireo RAZAMBE afa-tsy Ingahy RAZAFIMINAHY izay ao amin’ny farafara avaratra.       
        5 – Farafara iray atsinanana-ambany an’ny Terak’i RAINIKOARIVO sy RAMANANKASETRA.


         -------------------------------------xxxxxxxx------------------------------------------------
Fanamarihana: Izay vaomarika MENA dia avy  dia ny  niandohan’i DADABE
                                Izay voamarika MANGA kosa dia ny niandohan’i NENIBE
                                Ny maitso dia NY HIFANDRAISANA