MUNICIPALITÉ
Io fififdianana
MAIRE IO no tena fifidianana hiankinan'ny FAMPANDROSOANA koa mahaiza mifidy.
Averimberina matetika ny oe tsy ny mpitondra fanjakana velively irery ihany no
mitondra fampandrosoana fa indrindra miainga amintsika tsirairay. Raha ny
hevitro manokana dia haverina indray ny hetra isan-dahy amin'ny endriny vaovao,
miankina amin'ny fidiram-bolan'ny tsirairay, (Fa izay itoeran'ny harenareo, dia
ho any koa ny fonareo Lioka12 : 34) tsy
de resaka vola fotsiny izy io fa:
1- mahatonga ny olona ho tompon'andraikitra
2- manosika ny olona ho sarotiny amny harenam-pirenena
(lalana, fitaovam-panjakana,
fitsinjarana ny vola isam-paritra...)
3 - hanosika ny olona hiasa fa tsy hiraviravi-tanana.
Fanamarihana
kely, tadidio fa lalana mirefy 10 km fotsiny anie no maha fahirano an'i
Faratsiho isan-taona izao e! (hatreo amin'ny km 18 mankeo Faravohitra), samia tonga saina e!
Jereo anie ireo olona eo amoron-dalana ireo raha tsy
faly ery mijery fampisehoana tsy handoavam-bola e!
FAMPANDROSOANA
Voateny matetika ny oe tsy
matoky ny mpitondra fanjakana, ny fanodikodianam-bola isan'ambaratongany, amiko
de tsy zava-baovaovao velively izany ary tsy eto Dago ihany fa manerana izao
totontolo izao.
...tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toa izany
izay mahazo harena tsy amin'ny rariny:
handao azy amin'ny antenatenan'androny izany ... Jeremia
17:11
Ny hiadiana amin'io voalohany aloha dia ny
fanamafisana ny RAFITRA: tany tan-dalàna, fitsarana mahaleotena sy matanjaka,
rafitra mpanadihady isanam-baratongany. Tsy hidika velively anefa izany fa tsy
hisy ny manoham-pefy fa fanakelezana ny tarazo fotsiny. Ny tena harofanina dia
izaho sy ianao, isika mianakavy no
mandray andraikitra. Efa voaozona amin'izany isika olombelona ...na ny kely na
ny lehibe, dia samy fatra-pila harena
,na mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa Jeremia 8: 10
...tsy ny 5 taona fotsiny no nandalo tetezamitatra fa
efa hatramin'ny 1958, 54 taona lasa izay, voazanaka isika dia mbola tsy
nisara-nono hatramin'izao, velon-dataka lava izao.
- Hiverina ny famatsiam-bola avy any ivelany: f'anga
manantena fa volan'adala io vola io ka tsy hisy takalony, alainy ny ampahany
amin'ny tanin'ny madagasikara manontolo vao tonga saina, azy daholo
Ankorondrano manontolo, ny varotra goavana sy ambongadony rehetra...
- Mangataka amin'ny fitondran-panjakana izahay: fa iza
no atao oe fanjakana e? Izaho sy ianao mitambatra, raha mpamboly ianao dia
hataovy farafaharatsiny mahavelona anao sy ny ankohonanao izany manaraka taoraha
vaovao fa efa maina io tanimbary io, raha mpivarota ianao dia ataovy mazava ny
asa aloavy ny volam-panjakana farafaharatsiny ny TVA, raha mpanao asa-tanana
ianao, ataovy misongadina ny fahaizamanao mba ho azo amidy lafo ny taozavatra,
raha mpanao hotely ianao andraoy tsara lay sakafo sns...zany rehetra izany
mitambatra no fandrosoana.
- Fanaovan-dalana: tadidiko tsara raha nanao lalana
Ravalomanana dia ny valiny oe "...anagaha azo ohanina io lalana
io...".Tarafina am fomba fijery roa ohatra io fiteny io:
1- marina aloha fa noana ny vahoaka, mila sakafo izy
ary ilay vola nomen'ny mpamatsy vola dia tsy mankany am-paosiny mivantana. Ilay
sakafo eny an-tsena, ronono, yahourt, fromage n'i dada tsy tonga tany am-bava, tsy voavidin'ny sarambabe. Raha manaratsy
an-ndRamose any am-ponja...
2 - 4x4 marobe no nande teny ambony goudron raha tsy
hiteny afa-ts'reo an'i Solombavam-bahoaka. Ny mpanankarena no nahazo volabe tampoka
tam varotra isankarazany (varotra maizina sy mazava).
Tsy azon'ny
vahoaka velively ny antony ilana ilay lalana, tsy nazavaina taminy mazava tsara
oe io ny lalana fa miasa mafy amin'izay ianareo, mety tsy maintsy haverina ny
vola nanaovana azy. Ho mora ny fanondrananareo ny vokatra amin'ny fifandraisana
ara-barotra, mety hanankarena toa an'ingahy ndrina mpivarotra eo an-tsena
ianareo. Tsy voatery hivarotra mora eto an-toerana ianareo fa afaka mivarotra lafolafo kokoa any
an-drenivohitra.
Ny mifamadika amin'izany no tao an-tsainy "ho mora amin'izay ny famatsiana anay ary
mahazo mangataka zavatra betsaka am fanjakana izahay, mora ny mifindra monina
any an-drenivohitra". Afaka
mivarotra mofogasy, mitsindroka rotra
ary mitango manga amidy eny amoron-dalana..."nofon-kena natoraka
alika"...
- Io fomba fijerin'ny any Amabnivohitra io de fomba
fijerin'ny fanjakana ary aretina mahazo ny firenena mahantra aty afrika. Maika
ery miandry ny famatsiam-bola avy any ivelany, famerenana ny AGOA,
fifandraisana ara-toekarena atsy afrika sy aty amin'ny ranomasimbe "ocean
indien". Rehefa tonga izany rehetra izany de mitsipona akotry fotsiny eo,
fa tsy mieritreritra velively ny hanondrana any ivelany: ny vazaha no mandefa
ity tsy an'asa avy any aminy rehetra ity zay efa ao anaty kajy amin'ny
famatsiam-bola (famotsiana chomeurs fa tsy famatsiam-bola[2]). Ny karana no
manankarena amin'ny AGOA amin'ity karaman'ny mpiasa iray 60 euros vidina
pataloha iray vokarina eny Tanjombato. I Maurice no manana tany fambolena
midadasika aty Dago (ovy 1 kg vidiny am centimes)...de ahoana koa ny manaraka.
Aoka izay, mifohaza amin'izay, ovay daholo ny lalàna
raha ilaina izany, tsy mande amin'ny pièces ntsika akory. Sao dia mba
lalam-panorenana hafa no mety eto Dago? Tribalisme, Feodalisme, federalisme,
monarchie constitutionnelle fédérale à regime parlementaire, sns...fa tsy mety
amintsika io karazana LALAMPANORENANA faranitsihay io (jereo etsy ambany ny
fanazavan'ny tompony azy[1]). Miseho
milay daholo ity adala tsy hendry rehetra ity ka miseho oe mitondra ny
feom-bahoaka. Ny Prezida tetikasa (politique générale de l'Etat) nalaina tany amin'ny aterineto no novakina
teny Mahamasina, KOPI KOLE an' Sarkozy...Raha mbola io karazana lalampanorenana
io de azo amboamboarina eo foana satria
efa izay mihitsy ny hevi-dehibe ao anatiny. Tsy ho haintsika velively ny
fampisaraham-pahefana: ny mpanao lalàna
etsy andaniny, mpanatanteraka ankilany, ary ny fitsarana (legislatif,excutif,judiciaire)...Tsiranana,
Ratsiraka, Ravalomanana, ry andry Rajoelina avy no tompon'izy telo ireo, vao
manomboka ry Hery Rajaoherimampianina dia efa hametraka fanjakana matanjaka =
izy no mpanapaka sy mpandidy.
Hatreo
indray aloha eo ampiandrasana antsika rehetra ho tonga saina, manaraka ny asa
ataon'io fitondrana vaovao io.
PS: manankarena i madagasikara na an-tanety na
ambaninin'ny tany, io rivotra sy
masoandro be omen-Janahary antsika io aza dia harena sarobidy TSY TAKATRY NY
SAINA: mila oe olona iray avy any ivelany no nikabary izany teo ambony
latabatra vao mino isika. F'angaha izany rangahy ity ho azo ahodina ho harena
tampotampoka eo raha tsy misy ezaka bediabe atao a! Indrindra moa raha izao
fomba fisainana izao no mitohy.
NOTES
[1]...c’est
le cas dans toutes les cours constitutionnelles du monde, puisque nous sommes
dans le domaine constitutionnel et que la constitutionnalité des textes renvoie
à l’équilibre du pouvoir au sein d’un pays, et qu’en sus des considérations
juridiques, il y a bien évidemment des considérations politiques...
François
Goldblatt ambassadeur de France à Madagascar.
[2]... mpamatsy vola: tsy maintsy mitondra
teknisiana amin'arivony avy aty europe
izy lazainy fa tsy manana isika. Lazaivo
koa fa mila firy andro ny mampianatra antsika mitondra tractopelle, manao
soudure, mitondra machine isankarazany ny ingenieur ntsika anefa ry zalahy ihany no
nanofana azy, avy taiza ny technicien supérieur ntsika????