mercredi, mai 13, 2009


MANAO SAIN-JAZA

  1. Tsy resaka POLITIKA no andraisako ity lahatsoratra ity.
Hisaorako an'i PASITERA RAMINO Paul fa tena foto-kevitra hitovizako aminy iz'ty, ka tsy haritro raha tsy zaraiko eto.
Matetika aho no maneho ity tranga iray ity rehefa miresaka @ olona manodidina ahy, ary indraindray dia tsy tafita mihitsy ny tiako lazaina, koa ankehitriny hampitaiko avy amin'ity lahatsoratra ity ny FOMBA FIJERY HAFA KOA.
Misaotra.


Taratasin’ny mpamaky Manao sain-jaza !
Midi Madagascar, Parution N° : 7831 du 13 mai 2009

Raha misy olon-dehibe, na lehilahy na vehivavy ka manao toetra tsy mendrika ny maha olon-dehibe azy, tsy misaina amin’ny maha olon-dehibe azy dia atao hoe : « Manao sain-jaza ». Izany hoe ny taonany sy ny vatany ihany no lehibe fa ny sainy dia zaza. Ary vidin-kaja vidim-boninahitra fa mahamenatr’olona izany hoe mba lehilahy lehibe sy vehivavy lehibe ihany kanefa dia ataon’ny olona hoe manao sain-jaza. Tsy tantin’ny olon-dehibe ny atao izany satria sady afabaraka izy no manalabaraka tena.
Iza no manao sain-jaza ankehitriny ? – Tsy mihambahamba aho milaza tsotra sy mazava hoe isika firenena Malagasy sy ny mpitondra antsika. Jereo amin’ny maso tsy miangatra ny zava-misy dia hitovy hevitra amiko ianao.
Ho feno dimampolo taona amin’ny taona 2010 izao ny nahazoantsika ny fahaleovantenam-pirenena. Mino aho fa amin’ny 26 Jona 2010 dia hanana endrika manokana io fetim-pirenena io. Izay mpitondra nifandimby teto amintsika teto dia samy nilaza fa tany manan-karena isika. Ny vahiny rehetra dia miaiky ny harena ananantsika. Nefa hatramin’izao dia mbola firenena tsy mahavelon-tena ihany i Madagasikara. Lazain’ny mpahay toe-karena fa ny 70%-n’ny fandaniana ilain’ny firenentsika dia avy amin’ny fanampiana ivelany avokoa. Mihorohoro aoka izany isika rehefa ataon’ny firenen-dehibe hoe : “Tsy hanampy anareo intsony izahay”. – Ny zazakely anie no ampiana lava e. Ny zaza no tsy mahavelon-tena. Ny ilazana ireo mpitondra sy mpanao politika hoe mahay dia noho izy mahay mangataka sy mahita fanampiana avy any ivelany izay mety ho vidin’ny taranaka lafo any aoriana. Ary ity no tena mampalahelo : rehefa manao fitsidiham-paritany eto Madagasikara indray ireo mpitondra antsika izay mahay mangataka any ivelany ireo dia mangataka amin’izy ireo indray ny faritra tsidihany. Dia tezaina amin’izany sain-jaza mangataka sy mivelona amin’ny hataka izany isika. Moa tsy sain-jaza ve izany ?
Fa ity koa, ny sain-jaza manaraka. Rehefa miady ny zaza ao an-trano ao dia mila ny ray aman-dreny mandrakariva handamina azy. Rehefa tonga ny ray aman-dreny dia mifampitati-bolana eo ireo zaza. “Izahay manko nataony an’izao ô”. Dia mamaly indray ny iray manao hoe : “-Kanjo izy mantsy no nanao an’izao anay ô”. – Ka inona moa fa tsy izany ve izao no mitranga izao ? – Misavorovoro eto isika, mifampisambotra, mifamono, dia miantso raiamandreny avy any ivelany, miantsoantso ny ONU. Atao ireny satria nahoana ? – Mbola zaza ka tsy mahavaha olana samy irery fa tsy maintsy miantso vonjeo any amin’ny raiamandreny any dilambato. Isika samy isika Malagasy mantsy samy zaza ka tsy maha-vaha olona. Hafa ihany ny “vazaha”, azo itokiana kokoa noho ny Malagasy ireny, hoy ilay “sain-jaza” ao anatintsika ao.
Fa ity koa no porofon’ny sain-jaza : tsy mahita afa-tsy ny tenantsika isika. Io no antsoina hoe “égocentrisme”. Izay no maha zaza ny zaza ; tsy mahita afa-tsy ny tenany izy, ny tombontsoany, ny vatomaminy. Tsy afaka hihevitra ny hafa ny zaza. Lavitra ny zaza izany hoe hijery ny tombontsoan’ny firenena izany ohatra. Dia manao ahoana isika izao ? Ny lehilahy lehibe sy ny vehivavy lehibe dia sahy milaza fa ao amin’ny tombontsoam-pirenena no misy ny tombontsoany.
Inona koa ny sain-jaza manaraka ? – Mbola misy hafa saika holazaiko fa aleo ianao no manohy azy satria fantatro fa ianao mamaky ity lahatsoratra ity dia te hiala amin’io sain-jaza io. Fa ny azoko lazaina aminao eto am-pamaranana dia ity : raha tsy manapa-kevitra hiala amin’ny fahazazana isika dia ho sasatry ny miarina eto ny firenentsika, satria ny zaza lava dia ataon’ny firenen-dehibe kilalao lava eny.
Pasteur RAMINO Paul (Mey 2009)