jeudi, novembre 05, 2009

Mampatory (Maputo), Mampiesona

Mampatory (Maputo), Mampiesona Mampatory (Maputo), Mampiesona
Sersera , message N° 34593 du jeudi 05/11/2009 à 10:15


Mba hiteny kely indray aloha, fa alohalika ny ranom-bary.
Tsy mihemotra velively ny tantara, fa mandeha ihany, na eo aza ny fijalian'ny vahoaka. Tsy ny tolona ho amin'ny FIVOHARANA velively no mampahantra ny vahoaka fa ireo mpanaraotra ny vanim-potoana. Ireo an-tokon'olona ireo dia tsy mifidy na iza no mitondra na iza (DJ, Laitier, Professeur, Amiral...) fantany fa ho eo foana izy, fa fandalovana kely fotsiny ny any am-poja, na refusé polifika any Frantsa ary matetika moa fandalovana fitsarana tsy mitondra aiza na aiza.

Vokany ity CINEMA any MAPUTO ity, toa ilay fifanarahana tany Dakara dia fantatra fa fitadiavan-tseza foana, ary ny tena mampalahelo dia fanaovana tsinontsinona ny valala tsy mandady arona mijaly isanandro miafara amin'ny famoizan'aina (13 Mai 1972, Iavoloha 1991, Mars 2008...). Dia mihevitra ry zalahy fa hiverina maimaim-poana eo @ Fitondrana amin'ny OE! OE! na ny herin'ny RONONO. Ho adino daholo ny tsy fahombiazana tamin'ny fanabotriana ny firenena, ny famonoana olona moa dia modiana fanina, fanimbana sy fanodikodinam-bolam_panjakana tsy asiana sira (ny anay any Vakinankaratra moa rehefa nirefotra ny Tetezana dia toa ry zalahy indray no mitady ho avo vava).

Tsotra ny tiana takarina, isiaka be lazao eto amin'ny internet, no tokony hanova izany rehetra izany fa tsy variana hifamaly TGV, GTT, Zanak'i DADA, zanak'i NENY. Soyez franc, inona ny tombotsoanareo hafa ho azonareo @ ireo Fitondrana teo aloha, sa mbola mitetika ny ho kalabe. Adaboy any ireo olona efa maimbo ireo, omeo ny tanora amin'izay ny Fitondrana. Tsindrina manokana fa tsy oe mitodika @ TGV, fa kosa efa lalana iray io ary mety misy lalana hafa koa ho any @ FIVOHARANA amin'ity tsy fandriam-pahalemana ity: fiainana an-davanandro, ara ekonomika, politika, indindra sosaly.

Mola tsy miova izahay ary haverinay indray ny teninay teto amin'ny serasera t@ adin'i DEBA sy Ra8 (Message 6782 Mardi 13, Novembre 2001 9:22) Araka ny mahamailomailo anay anefa dia mitovy ihany ireo olona eo ambonimbony eo ireo satria aminay dia mifandray tendro ihany izy ireo fa vazaha mody miady, Ra7, Ra8, Raza, Ra5(Radidy), DJ (...la classe politico-économique qui dirige notre pays depuis des décennies ?... Car ce sont les mêmes, qui continuent leur route et leur enrichissement personnel en méprisant notre peuple et notre patrie. Ils changent d'étiquette, de "communistes" deviennent "libéraux" et ensuite peuvent, si besoin, devenir encore autre chose... ) hatreo indray aloha fa hita eo ihany e!
A+

Aucun commentaire: