lundi, mars 27, 2023

RAMAINANDRO TALOHAN'I FARATSIHO

 TSARA HO FANTATRA: ISIKA ZANAKANTITRA TALOHAN'I FARATSIHO

Tamin'ny andro nanjakan-dRadama I (1810-1828), dia nisy rangahy nantsoina hoe Ramasoarivo. Nanambady roa izy dia i Rafaratsiho sy Ravinaninony. Ravinaninony no nipetraka tao atsimo, niompy patsa tao amin'ny farihy Vinaninony. Rafaratsiho kosa nonina tao avaratra, niompy toho teo amin'y farihy sy ny henihen'i Faratsiho. Ramasoarivo indray dia nonina teo an-tampon'i Bezavona (2 251m ny haavony) teo anelanelan'ny fonenan'izy roa vavy ka sady mitazana ny ao avaratra no mitazana ny ao atsimo. Anaran'olona ny hoe Ravinanony sy Rafaratsiho, kanjo rehefa maty izy roa vavy dia samy raikitra ho anaran'ny farihy sy ny tany niompiany ny anaran'izy ireo dia nahatonga ny FARATSIHO sy VINANINONY.
Tamin'izany fotoana izany dia tao anatin'ny faritan' Imamo no nisy an'i Faratsiho, ny marina kokoa tao anatin'i Atsimonivato. Atsimonivato dia tany tao andrefan'Ankaratra, atsimon'i Ambohitsokina sy Vatove ary Tetivato.
Raha nanamboatra ny rova sy bataria (manda) teny Ambohimanga Radama I dia nozaraina araka ny isan-tokony ny raharaha ka tsy nahavita ny azy Imamo. Nantsoiny ny vahoaka hiara-mamita an'io, kanefa tsy nisy nety nitranga afa tsy ny zanakantritra irery ihany, dia izy no namita io. Araka ny hafatra avy amin'Andrinampoinimerina, raha misy raharaha ataon'ny vahoaka dia tsy maintsy omena omby isan-kariva izy hovonoiny, rehefa sasatra niasa, mba ho sakafony.
Kanefa Andrianjaza, loholona tao amin'ny zanakantitra, nangataka tany tamin-dRadama ho solon'ny omby, satria tsy ampy azy ireo intsony ny tany tao Ambohimiarina, Ambohimasina, Lehilava, Mandriambero (atsimon'i Imerintsiatosika) ary Ambatomitsangana (avaratr'Arivonimamo). Hoy izy tamin'izany : "... koa raha sitraky ny fonao, dia mbola omeo tany malalaka ihany izahay mba hitomboanay sy hivelomanay, fa mitombo isan'andro ny vava mihinana." Nanaiky iLaidama, koa sady ho fankasitrahana ny zanakantitra sy ho famaizana an'Imamo dia i Atsimonivato no nomena ny zanakantitra. Nidina teny an-toerana mihitsy ary Radama I niaraka tamin'ny zanakantitra notarihin'Andrianjaza hamaritra ny tany. Teo Ambohitsokina (atsimon'Amboanana) no nanomboka ny famaritana, dia nandalo an'i Vatove sy ny reniranon'Anjahana, nandalo an'Ambohimizana, Tetivato, Dondona, Kitsamby, Ambatonombalahy. Dia nianatsimo izy ireo avy eo nandalo ny farihy Dango, nita an'i Sahomby, nandalo ny tendrombohitr'Ambohimpoloalina sy ny bongan-dRamasoarivo ao Bezavona. Niantsinana indray avy eo namonjy an'i Nanokely sy Nanobe, Antokovaritelo, Bonganandriana. Nianavaratra indray avy teo ka nahazo an'i Ambatoborona, nanaraka ny reniranon'i Manalalondo, nahazo an'Ankafotra (bonga avo ao atsinan'i Manalalondo), dia Farahery ary tafaverina tao Ambohitsokina.
Rehefa vita izany dia hoy Andrianjaza nisaotra sy nanasina an-dRadama I : "...ity tany omenao anay ity dia tany lonaka sy malalaka; tanety tsy mandà hanina; heniheny tsy mandà vary, tany lonaka mahavoky noana, tany masaka mahatavy ny mahia, ary kijana mahavoky ny omby. Farihy be misy hilomanosan'ny vorona ity, tompokolahy ary tany malalaka hilomanosanay zanakantitra sy hitomboanay mandrakizay. Koa misaotra anao izahay fa soa mandrakizay ity." M. Rasamuel (1972).
Nandritra ny Repoblika voalohany, dia tao anatin'ny Fileovan'i Vakinankaratra no nisy ny Distrikan'i Faratsiho. Nizara ho firaisana ambanivohitra enina (6) izy tamin'izany dia ny firaisan'i Faratsiho izay renivohitry ny vakimpileovana, Ramainandro ao avaratra, Miandrarivo sy Valabetokana ao andrefana, Vinaninony ao atsimo ary Ambatofotsy ao atsinanana. Nanomboka ny taona 1975 dia niofo ho fivondronana i Faratsiho. Nizara ho firaisana roa (2) ihany koa ny firaisan'i Vinaninoy ka nanjary Vinaninony atsimo sy Vinaninony avaratra. Ary nanjary firaisana mahaleo tena Andranomiady izay mamarana ny ilany avaratra amin'ny fivondronana.
Tantely

Aucun commentaire: