dimanche, novembre 02, 2025

RELATIUON DE MADAGASCAR ET DE LA RUSSIE

 


🇲🇬... Madagascar cherche à écrire une nouvelle page de son histoire en affirmant sa souveraineté et en recherchant des partenariats équilibrés. La Russie a exprimé sa volonté de collaborer avec Madagascar, ce qui pourrait transformer le pays en un acteur clé de l'océan Indien. Cependant, cette alliance pourrait avoir des implications significatives, notamment en termes d'exploitation des ressources minières.

🇲🇬...Ce mouvement s'inscrit dans une tendance plus large de l'Afrique qui cherche à définir ses relations internationales et à assumer ses orientations. L'avenir de cette alliance déterminera si elle apportera les résultats escomptés. Une chose est certaine, cependant : cette démarche symbolise une nouvelle diplomatie audacieuse et fière pour Madagascar et potentiellement pour l'Afrique.

*Les enjeux clés de cette alliance sont* :

🏴‍☠️- *Souveraineté nationale* : Madagascar cherche à renforcer sa souveraineté et à prendre des décisions qui correspondent à ses propres intérêts.
🏴‍☠️- *Partenariats équilibrés* : Le pays recherche des partenariats qui lui permettent de maintenir son indépendance et de bénéficier de manière équitable des avantages économiques.
🏴‍☠️- *Exploitation des ressources minières* : L'alliance avec la Russie pourrait conduire à une exploitation massive des ressources minières de Madagascar, ce qui aurait des implications environnementales et sociales importantes.
🏴‍☠️- *Positionnement géopolitique* : Cette alliance pourrait positionner Madagascar comme un acteur stratégique dans l'océan Indien, ce qui pourrait avoir des implications géopolitiques importantes.

👁️.. L'Inde et la France ont déjà des relations de défense établies avec Madagascar, et l'arrivée de la Russie dans ce paysage pourrait modifier les équilibres existants. Madagascar devra naviguer prudemment pour maintenir ses relations avec les différents acteurs géopolitiques tout en préservant ses intérêts nationaux.

mercredi, octobre 22, 2025

RAVATOMANGA LE CAPITALISTE

 

🏴‍☠️... androany aho raha mahita ny fankahalana an-dRavatomanga dia nisy hevitra nitsiry hitako oe mifandraika tsara.
Izao tolona izao zany dia mbola tandindon'ny tolona 1972 mba tsy hitenenako oe ny eo ihany no averinareo ankizy, io moa ilay hira amin'ny tolona eny amin'ny 13 mai manamafy izany: adi-tsaranga, mpitsetsitra ny harenam-pirenena, manao ampihimamba ny fitondrana, mpangala-bato amin'ny fifidianana, ireo aloha no singaniko fa marobe no ny teo ihany no miverina.

🏴‍☠️... Zao ilay izy, ny anay tamin'izany dia vokatry ny vondrona roa teto an-tany dia ny Kapitalista sy Sosialista. Aty amin'ny andronareo dia voamarina fa revin-gadra ilay Sosialista satria ny sinoa moa dia nivadika amin'ny fiarian-karena Kapitalista amin'ny fomba nahamety an-ndry zareo.
Amiko sao dia ny fijery azy dia misy hevitra miverin-dalana makany satria ilay demokasia nadika vilana tamin'ny tandrefana tsy azontsika, ary ny tena marina dia tsy mety amin'ny Soatoavina malagasy no nahatonga izao fahantrana lalina efa 65 taona izao. 

🏴‍☠️... Azavaiko: ireny niainantsika tamin'ny Rajoelina ireny mihitsy no Demokrasia tandrefana tena ara-bakiteny. Tain'alika ka ny avo ihany no tohizana,ny millionnaires indray no nomena millions hijery baolina any Kenya. Izay manam-bola no anaovana buildings. Ny mpanankarena no nanaovana villa mifefy miaraka amin'ny gardiens sy ny alikany. Ny mpitondra migalabona amin'ny fananam-panjakana. Eo amin'ny fara-tampony, nomena an-dRajoelina ny toeran'ny MPAJAKA dia ny voninahitra sy harena ary nolazainy fa hanatanterahana ny teti-kasany. Ny niafarany dia lazainy fa vola avy any amin'izy mivady ny volam-panjakana hanampiany vahoaka. 
Io sarisary io ihany zao any USA ka mahatonga fitokonana goavana manao oe" miala le Roi Trump". Any France miha mahantra ny vahoaka madinika ka ilay Premier Ministre no avadibadika eo, ny vahiny no mahazo loza. Izay lany eo dia manao izay sai-patany eo aloha, izay no atao oe DÉMOCRATIE. 

🏴‍☠️... Ravatomanga eto Madagasikara no sary atao amin'izany oe fihariana " Trust des sociétés capitalistes" izany. Ny vola no mitady ny vola,tsy misy fetra ny heriny, satria rehefa mitombo izy dia mivelatra arak'izay koa ny fahefany. Toa ny tadio ny harena ka pahony, ateliny daholo izay mifanehatra aminy. Miteraka tomany sy fahantrana lalina. 
 "Une autre source du trust pourrait être le monopole naturel (soit une entreprise dont les coûts unitaires sont décroissants relativement à ses parts de marché), l'entreprise initialement dominante peut ainsi imposer un prix inférieur à celui de ses concurrents tout en restant rentable, ainsi cette entreprise gagne naturellement et légalement des parts de marché jusqu'à devenir un trust au détriment des consommateurs". 

🏴‍☠️...Zay ilay izy , normal misy entreprises marobe potika, olona voadona mafy satria ilay firenena mahantra dia mahantra, ary ao anatin'io fahantrana io mintsy no mampivelatra ny mpanankarena. Voaporofo izany tamin'ny kirizy rehetra nandalo teto ambonin'ny tany, 1929, ireo ady lehibe sns... 
Ny loza dia afaka mampiodina ilay firenena i Ravatomanga sy ny forongony ka tsy ny tenan-dRajoelina ihany no baikony fa ilay firenena no zaraina amin'izy ireo avy amin'ny alalan'ny fizarana Ministeram-panjakana isan-tsokajiny,vokany maro no nanan-karena,ka hanao valifaty ny tsy mba nisaosy tao. 

🏴‍☠️... Dia ahoana potehana indray ve ity FIRENENA ity, fa misy gasy manankarena? Tsy ny socialistes intsony eto no mibaiko fa intelligence artificielle (IA), manao kajikajy oe tsy mety izany fizarana ny harena eto amboni'ny tany izany... 
I Nigeria aloha zao tsy mamotika ny azy, Aliko Dangote  Nigeriana, mpanakarena indrindra eto Afrika manana 13,90 millards de dollars, 2023 niakatra hatramin'ny 20 milliards. 
Ny PIB ntsika 16 milliards de dollars, 68 % n'io andohavana ny karaman-pajakana, nefa etsy an-daniny amin'izao grève etsy sy eroa izao, mitady fiasondrota-karama no mibahana, ataovy miaramila daholo ny zatovo lahy rehetra nanao fanompoana.
Namotika isika tamin'ny 1972, na vazaha aza no maro potika, etsy an-daniny isika mbola mahantra ihany hatramin'izao. 
Dia ozy nareo oe isika manana harena ankibo'ny tany sy amboniny tany; oh leretsy à ! Nga misioka tokana dia tonga harena ireny. Ny azo antoka aloha dia tsy hisitraka izany intsony aho e! 

 🏴‍☠️... Tsy manana valiny aho fa avelao anao ny asany ny mpitsara mahay ny lalàna momba an-dRavatomanga sy izay eritreretina ho toa azy. Ndao hanangana fiarahamonina vaovao tena malagasy, mifantoka amin'ny LALAMPANORENANA mifototra amin'ny FIHAVANANA, miainga any am-potony ny fahefana rehetra dia ny FOKONOLONA. Etsy andaniny dia mametraka lalam-pifidianana madio, eken'ny rehetra, mba hafahan'ny izay te hilatsaka hitovy hery ara-bola sy fahefana. Efa ekentsika io fitondrana makany amin'izany tanjona izany io, koa aoka hifantoka amin'izany tanjona izany ity farany fa tsy ho hampiasain'ny sasany ho fitaovana hanaovana valifaty fotsiny. 

🏴‍☠️... Hoy ROLLY MERCIA, ndao hanangana fitsarana mahatoky hitsara an'i Ravatomanga sy ny foronginy dia izay hita eo. Ity farany ity aloha raha ny resaka nataony tamin'ny mpanao gazety dia mety mba ho Nelson MENDELA malagasy e! Eo anoloanan'ny fankahalana hatrany amin'ny tsinaimaintin'ny "choux-fleurs".

vendredi, octobre 03, 2025

... Kihon-dalana ho an'i ankizy Gen-Z

 👉... Kihon-dalana izao azo hivadihana lalana makany amin'ny fampandrosoana marina amin'izay rankizy Gen-Z a ! 65 taona isika eto ihany, lasa mahantra velona eran-tany noho ny antony tsotra MITAFY LAMBA TSY AN'NY TENA.

👉Io demokrasia avy any amin'ny tany tandrefana io mintsy no tsy mety amin'ny Kolontsainantsika, ny fomba amam-panao malagasy izay miainga amin'ny FIHAVANANA. Manangana LALAMPANORENANA nadika tamin'ny tandrefana isika dia sady tsy haintsika akory ilay izy no tsy mety amintsika.

Ndao amin'izay ary hanova rafitra vaovao miainga amin'ny antsika dia ny FOKONOLONA.

Tantara kely tsotra anefa aloha. Raha nikasa hanangana io Fanjakana miainga amin'ny FOKONOLONA io i tompokolahy RATSIMANDRAVA dia novonoin'ireo tsy matahotody, nanimba ny tombotsoan'ireo mpanjanantany sy ireo malagasy tia-tena hitazona ny tombotsoanay. Vokany tsy niala teo mihitsy ry zareo hatramin'izao fa nametraka mpitondra saribakoly hisan-tsokajiny, miala any amin'ny Filoham-pirenena ka hatrany amin'ny manam-pahefana ambany indrindra.

Ndao ary hiverina an-doharano, haverina any amin'ny vahoaka ny fahefana. LALAMPANORENANA vaovao, fifidianana tena atao oe LATSABATO, endrika vato halatsaka ao anaty satrok'izay olona tian'ny tsirairay ho fidina eny amin'ny Fokontany. Izay lany eo indray no mifidy ny andrim-panjakana manaraka, ary izay ilay atao oe VATOEKA (vato hifanarahana, ekena)

Fampidirana ny ahy iny fa eo ianareo rankizy andronareo izao, ianareo no manao "mise à jour" amin'ny fombanareo, "digital et intelligence artificielle".


Ny tokony atao aloha amin'izao fotoana izao mba hialana amin'ny fanonganam-panjakana, izay efa nataonay ka hita ny vokany fa vao maika fahantrana mangitsokitsoka noho ny lalana iraisam-pirenena.

Atao izay handresen-dahatra, hikisahan-ndRajoelina ho eny amin'ny sisiny, Prezident d'honneur tsy misy fahefana. Manangana gouvernement hanomana fanaovana rafitra sy fifidianana izay ho Filohan'izany.

Toro hevitra kely raha mety aminareo ary indrindra hanaiky ireto olona ireto, Professeur RAYMOND Ranjeva no hitantana izany gouvernement izany ary assister n'i Mme RAZANAMAHASOA ho an'i ankilany.

Ianareo rankizy Gen-Z no mandrafitra io gouvernement io, any aminareo ny fahaizana andronareo izao, mifanaraha ianareo amin'izay endriky ny LALAMPANORENANA tinareo hajoro.

Hatreo aloha... 

mardi, septembre 30, 2025

Miverimberina ny ntatara

... miverina, miodikodina eo ny tantara fa eo ihany isika, 1972, 1991,2002, 2025 izy ity. Tolom-bahoaka miady amin'ny fahantrana daholo ary nanameloka ny mpitondra eo an-toerana. Be loatra ny elanelana misy eo amin'ny mpitondra sy izay mahita tombontsoa amin'ilay fitondrana ka manankarena tampoka.

Ireo mpanankarena, millionaires ireo indray no mbola tolorana millions nde hijery baolina any ivelany.

Jereo ireo tranobe mijoalajoala etsy sy eroa, manangana

 tanana ho an'ny mpanankarena, fikambanana mpivarotra zavatra lafo-vidy amin'ny toerana iray. Izay ilay fandrosoana amin'ny alalan'ny herin'ny vola, tsy misy maharatsy azy, fa ny fanontaniana dia oe avy aiza ilay harena tampoka?

Na inona na inona no lazaina tompoko, ilay harena mintsy dia azo avy amin'ny hatsembohan'ny mahantra, voamarina izany isaky ny misy krizy na anaty firenena iray na krizy maneran-tany, ohatra 1929. Mpanjifa no mody hilazana azy, fa mbola mizara maromaro toa izao: miditra eto Madagasikara ilay vokatra. Devises no nividianana azy, mpanakarena maromaro no misitraka amin'izany. Manaraka azy eo ireo olona mpanelanelana, mpiantoka, mpanao varobotry no tena fiantso azy, ilay sady tsy mitatatra no tsy mivoly farihy, ireo no mapisondrotra vidim-piainana satria maka tombony mihoam-papany no antopiainany.

Ilay tena mpanjifa no miantoka farany, satria misy ilay atao oe mahitahita koa mbola mitaingina ao amin'ilay rohim-panampangana.  Ireo ilay mahantra indrindra eran-tany, 80 % na 90 % an'ny malagasy, mitsilo amin'ny jiron'akoho, rehefa mba mifidy dia hala-bato ny vatony. 

Etsy andaniny 16 % ny malagasy no misitraka ny harena, tena mpanjifa ny jiro miampy 14% mpamelona ny JIRAMA, hanamboaran-dalana, mametraka izay mpitondra tiany hapetraka eo mba tsy handrava ny fihinanany. Mpanao kolikoly, amin'izay ataony rehetra: fanadinam-panjakana, mividy mpitsara, mpanambaka mpifidy, mpanome saosy Polisy,manipikely sady ts'isy farany any amin'ny birao hidirany. Ny loza ami'atambo, iz'ireo ihany no mitaraina any amin'ny mpanao gazety vahiny eran-tany, ny fraisamonimpirenena eran-tany ny amamin'ny fisinan'ny risoriso sy tsolotra isankarazany misy eto amin'ny firenena. 

Eo isika izao, sady tsy voavaha no tsy ho vahana ny olan'ny Jiro e! Zany ve dia tsy hazava. Vola tsitokotsiforahana no lany amin'io JIRAMA IO. zao no tantarany: EEM (Eau et Électricité de Madagascar) ny anarany taloha, vao lasa ny vazaha dia ilay toeran'ny vazaha no nifampitadiavana tao. Samy te hitsetsitra tao, nandritra ny 65 taona izao. Ny mpiasa tao tsy nandoa vidin-jiro, ny Fanjakana nifandimby tsy nanavao fa nitsetsitra fotsiny koa. Hatramin'izao dia mbola mitohy ny fanaovana *tantely afa-drakotra* an'io orin'asa io, ary ao anatiny ao marobe no te hanoy ny fomba ratsiny.

Vola tsy tokotsiforohana no hatelin'io, ary teo Ingahy Rajoelina no diso paika (raha vao tonga eo aho dia vitako ny manome jiro anareo), nidona tamin'ny rindrina. Ny toha-drano Sahofika tsy maintsy niadiam-barotra indray fa saika nisy hanelanelana haka tombony araka izay zokiny. Ao anaty JIRAMA ao misy MAFIA BE, mpangalatra solika, mbola miazona mafy ny contrat hamatsy solika ny groupes électrogènes mampande ny jiro, syndicat ny mpiasa matanjaka be fikambanan'ireo miaro ny tombotsoany tsy mandoa vidin-jiro sy rano. 

Fehiny: sady tsy vita io olan'ny Jiro io no tsy ho voavaha vetivety. Averiko indray 16%, miampy 14% mpamelona ny JIRAMA. Ny ambony, ireo mahantra velona tsy manana 1,9 $/jour, famaritana ny fahantrana lalina, mahatonga an'i Madagasikara firenena mahantra indrindra eran-tany.

Tsy manaiky hanampy ny pamatsy vola ary ny 16 milliards amin'ny PIB ntsika, ampahany betsaka no mande ao.

Ireo mahantra indrindra tsy mba afaka mpanjifa ny jiron'ny JIRAMA, lazainareo fa jiron'akoho ny mba omena azy, ary raha mifidy iz'ireo dia lazainareo fa hala-bato ny vatony. Inareo miady mafy hanamboaran-dalana, ny an'ireo mahantra ireo vola hitaingenana taxi-brousse aza tsy misy.


Eto amin'ny kihon-dalana isika izao, raha teraka tamin'ny 2009 ny ankizy, efa 16 taona, raha 10 taona izy tamin'izany mbola tsy nahatsiaro ny tolona fa 25 taona amin'izao.

Ity misy tarehi-marika kely nataoko raha miainga amin'ny 1 275 225 ny vahoaka eto Antananarivo tamin'ny 2019,ary 2,4% isan-taona ny fitombon'ny, mponina:

1965: Tsiranana 233 566 hab

1979: Ratsiraka = 351 756 hab

2004: Ravalomanana = 829 611 hab

2009: Rajoelina = 969l71 hab

2019: réf 1 275 225 habitants

I Ratsiraka no nanamboatra an'Andekaleka 351 756 hab ny mponina teto Antananarivo, nisitraka an'io jiro sy rano io. Tsy nisy fanaovana drafitrasa tao aorinan'izay dia atolotra anareo ankizy ny mandinika ny mitsakotsako. 

Ozy aho oe tena ankatoaviko ny hetsika satria jiro tapaka sy rano tsy misy ny andro-piainanreo hatreto, tolorako mahereza ianareo. 

Ny grève, lova avy amin'ny La Frantsa, fa any aminy ny fandrobana tsy mpangalatra PPN dia hanaovana selfie avieo. Ny fitokanana dia avy amin'ny tsy fahafaham-po amin'ilay fitondrana. 

Ny fandrobana indray dia valifaty amin'ilay tsy fahafaham-po ary any amin'ilay heverina fa mahazo tombo-tsoa manokana, (ireo voalazako ery amboalohany) ao amin'ny fitondrana no miantefa. Maka ny anjarany amin'ireo mpanakarena ny mahantra, satria fantany fa tsy mba afaka misitraka amin'ireny izy amin'ny andro tsotra.

Mandalo an'ireo vitrines mirantiranty, mangazay natokana ho an'ny mpanakarena, feno entana farak'izay lafo tsy ho takatry ny fanjifany. Restaurants sakafony herinandro ny vidin'ny entrée sy ny hamburger fotsiny,ny pizza tsy lazaina intsony fa indray mande isan-taona izy vao mihinana ampahany kely amin'izany. 

Lava ny azo lazaina fa any amin'ny Fanjakana ny baolina hamahana ny olan'ireo ankizy zanantsika ireo. 

Diso paika ny fitondrana Rajoelina, fa tokony laharam-pahamenana voalohany ny jiro sy ny rano, fahatelo ny fanamboarana simenitra hanaovana toha-drano sy ny trano fonenana, makany amin'ny tena fandrosoana. Zay vao ny asan'ny fitondrana an-davanandro, tsy maintsy ataony: fandriam-pahalemana, fahasalamana, fanabeazana.

Alaivo sary an-tsaina oe fianakaviana iray mahantra be ny firenentsika, ny PIB ntsika 16 milliards de dollars, Aliko Dangoté mpanakarena indrindra eto Afrika manana 13,90 millards de dollars, 2023 niakatra hatramin'ny 20 milliards 

Ny ao an-tokatrano tsy ampy hivelomana velively: sakafo, hofa-trano, saran-dalana, ny akanjo sy ny fialam-boly efa tsy misy tokotaniny. Dia ozy ny Rainareo oe ndao hividy télé fa mahamenatra ny fiarahamonina, io misy hanome téléphonique ndao hitrosana, zany oe tsy maintsy mampiditra jiro zany nefa iny no tena mandany vola.

Ny vahaolana anefa tokony miaritra amin'ny labozia dia mba misakafo tsara.

Raha mahasahy an'izany isika malagasy, fa tsy mimenomenona eto dia mandroso Madagasikara.

Fa ity misy fanitsiana kely momba ny téléphérique. 

Orinasa Frantsay iray no nanolotra tolotr'asa hanao an'io eto Madagasikara, ary manaiky ity farany fa aloha tsikelikely miankina amin'izay vola hitrandrahana azy eo. Raha tsy mande tsara moa io tolotr'asa io dia miantoka ny trosa ny Fanjakana. 

Eto amin'izay no valiteny mazava hisarihana ny sainareo tsirairay.Téléphérique no misy omen'ny mpamatsy vola mba azahoany tombony dia izay zany fa tsy oe " mba omeo anay ary ilay volanareo tianareo hanaovana an'io resahanareo io hanaovanay zavatra hafa makatsy na makaroa". Ohatra tsotra be "misy olona iray hanome anareo tomobilina eo apelatanany hangalany tombony aminareo dia ozy nareo oe" an! an! omeo anay ilay vola vidina fiara hividiananay trano, sy vary fa sahirana be zahay. Mipetraka tsara ilay oe mampindram-bola amin'ny mahantra koa tsy efa manantena ve fa ho veri-vola ilay mampihindrana. 

Izany io ataonareo tsy tia téléphérique io, taingeno aloha fa hita eo ny tohiny. Dia ozy nareo oe tsy takatry ny mahantra akory ny mitaingina ilay zavatra, dia ozy aho oe ianao ary mahantra koa, ny makany an-kibo ary tapa-tsinay.

Dia tonga eto isika, dia oe diso ny Fanjakana nisafidy io tolotra Téléphérique io. Zay ilay demokasia nadika tamin'ny tandrefana, rehefa lany eo dia zay ataony eo aloha.

Zah aloha mahita fa tsy mety amin'ny fomba amam-panaontsika, fisainantsika malagasy ilay izy, ary anisan'ny mampahantra antsika malagasy. Na koa oe hizihatra amin'io dia mbola hianatra, hifandrafy, hifamingana eto aloha ampolotaonany hoavy indray, miandry ireo taranaka Z ngamba hitondra firenena,raha manaiky hiala eo ny tanora zokiny. 

Raha mihindram-bola amina milliards de dollars maromaro hindramina hitrandrahana ny harena ankibo'ny tany, toa ny fanaon'ireo firenena matanjaka ireo, dia ho afaka vetivety izao fahantrana izao. 


mardi, janvier 14, 2025

MANAO AKANJO MANENDRIKA NY HAFA ISIKA

 

... tsotra be ny fanazavana an'io sary io ary singa iray fotsiny mahatonga amin'izao fahantrana mangitsokitsoka izao , firenena faran'izay maloto indrindra eto ambonin'ny tany. Miraviravy tanana tsy mety miasa ny olona, firy moa izay ny paik'ady nentina teny amin'ny tantsaha hampivoarana ny fambolena, ny fitaovana nozaraina ho an'izay ireo hatramin'ny 1 ère repoblika fa e! e!.

Naroso ny vary en ligne tany amin'ny 1964 fa ny teny amin'ny sisin-dalana hitan'ny mpisapanjakana (MAER) ihany no nataony.  Nozaraina tracteur isaky ny Fivondronana miaraka amin'ny lela-vola tsy toko sy forohana, nasiana ny banky ho an'ny tantsaha BTM, fa ny tracteur lasa taxi-brousse ny vola nosamborina nividianana moto sy nohanina tsotr'izao tsy nande any amin'ny famokarana velively.

Ny omby beronono: i Ravalomanana saika mba hamonjy ny tantsaha, lasa izy tenany no niompy azy. Mba naka tahaka Rajoelina nozaraina gratuit ho an'ny orange mpisolelaka fitondrana ilay omby. 
Mba saika hanao investissement entina hampiodina ny tananan'Antananarivo Naina Andriatsitohaina, lasa oe mpanodikodina ny volan'ny CNAPS, fa aleo ihany mivarotra eny amoron-dalana, ny tsena natao nidongina tsy nety nivarotra tao anatiny. Aleo ihany ny fako arina eny ivelan'ny bac fanariam-pako, amin'ny fotoana izay mahametimety, amin'ilay fotoana ts'isy mpadroaka fako iny. Hangalarina tamakoa sy izay vy rehetra hita amin'ny fanana-panjakana.

Maro no azo tantaraina fa ny tena marina raha vao misy fifidianana dia ozy ny olona oe "ndao rangahy ilay firenena mintsy no dorana ara-bakiteny a !" Tranga efa nisy hatrany amin'ny repoblika voalohany io, ary ny tenako efa namono afona doro-tanety, tamin'ny ratsa-kazo tamin'izany, tsy indray mande. 

Valiny mazava ny antony nahatonga izany, ilay Firenena mintsy no miakanjo manendrika ny hafa, tsy mety amin'ny fitiavany ilaina amin'ny fiainana, tsy mitovy amin'ny fitafy nenti-paharazana, any ka tsy hajaina, lotoina, rovitina, hamidy daholo izay any anaty paosy any (volamena, bois de roses, sokatra...), dorany, hamidy amin'ny Vazaha sy ny Karana,fa raha samy gasy tsy mety "samy tompony ihany". Na ny mpitondra teo aza samy nivarotra tanindrazana daholo. 

Tena manamafy izany ireo mpanao politika marobe miala an-daharana, Conseiller spécial ny Président de la République no mivadika manaratsy ilay Président, Praimisitra no lasa eny Ambohijatovo manonga-panjakana, tanana hakavanan'ingahy Prezida no lasa RAZANAMANINGANA. 

Ilay demokrasia tandrefana mintsy no tsy azontsika na ny tena marina koa ngamba mila taona maro dia maro ohatran'izy ireo isika hametraka izany. Fehiny TSY METY AMIN'NY PIÈCES NTSIKA, fa ny Frantsay renimalala aza izao efa tsy dia makany intsony, sa moa ity farany koa no alain-tahaka. 

Ny mpitondra lany amin'ny demokasia ozy ny tompony no mitondra manatanteraka ny fampanantenana nataony nahalany azy. Ny antsika aloha hatreto, 65 taona izao, nahongana teny amin'ny 13 mai ny fitondrana, dia io mbola misy mivoy io ihany aty amin'ny 2025. Ilay fitondrana rehefa tsy mitovy amin'ny fihevitritsika, tokony hampidirina ao amin'ny fomba fiasany izay heverintsika ho vain-do han-raharaha, dia tsy azo ekena mintsy, dia lazaina fa mpitondra tsy mihaino tsy mahay, tsy alehany, tsy mitsinjo. Raha raisina amin'ny fijery tsotra dia ohatra ny olona iray manao lahasoratra, efa misy rafitra matipaika entiny manangana azy dia misy motsaingoka eny oe zao no tokony holazainao amin'io lahatsoratra io. Marina fa tsy ahafehy ny zavatra rehetra ilay lahatsoratra fa raha manana hevitra ianao ataovy ny lahatsoratra mitondra ny hevitrao. Ndana ento eny amin'ny mpitsara amin'ny fotoam-pitsarana, dia ny VAHOAKA izany. 

Ny olana koa moa ilay mpitondra tonga eo amin'ny fitondrana amin'ny fifidianana tsy dia mazava, misy hosoka, misy hala-bato, lasa manao fitondrana manao dikavilana an'ilay DEMOKRASIA tandrefana ka toa sarina fitondrana tsy REFESI-MANDIDY. Hita foana izany fa faran'izay ilay fanonganana ny Lehiben'ny SENAT, nahatezitra olona maro.(ref: hafatra ho an'ny namako iray)

Efa ela no mitaraina ny manam-pahaizana, mpitsara iraisam-pirenena, lehiben'ny Akademisiana Malagasy ny Pr RANJEVA, tsy atoro amin'ny fandinihana toe-javatra misy rehetra fa mila mpitondra marina ny Firenena. Ny FFKM sy ny mpitondra fivavahana sasany, mivoy hevitra amin'ny rivotra.
 Ny hatongavana amin'izany dia tsy misy afa-tsy amin'ny fiverenana an-doharano. Mametraka fiarahamonina miainga amin'ny FIHAVANANA dia tsy inona fa "llo manamandina ny fiarahamonina malagasy ka ny mpisakaiza toa mpiombon-dra ,ny mpifankatia toa mpiombon-ndreny . Ravadravaka eo am-pivoriana izy, kofehy ifamatorana amin'ny sarotra.  Ny fitsimbinana ny fihavanana dia midika ho arofanina tsy hianjeran'ny mpiara-monina, mampiray fikambanana, mpiara-miasa, mpianakavy ao anaty hantsan'ny ady lahy sy fisaraham-bazana, ho tondrozotra mankany aminin'ny fifanampiana sy fifankatiavana ary fifandeferana" izay ilay izy. 
Ny hatongavana amin'izany dia mametraka Lalam-panorenana miainga amin'ny FOKONOLONA, avy any no miainga ny hevitra rehetra, mifehy ny fitondrana  ara-tsosialy, ara-toekarena, indrindra ara-politika. Amin'ny alalan'ny Fifidianana sefom-pokotany VOAFIDIN'NY VAHOAKA eny ifotony, tena latsa-bato ara-bakiteny, amin'ny sari-teny oe VATO EKENA, vato alatsaka ao anaty satrok'ilay olona ho fidiana.

Efa natomboka ihany izy io tamin'ny fitondrana Gl RATSIMANDRAVA, nifitotra tamin'ny laha-hevitra oe VATOEKA, fa novaina, noravain'ireo tsy mataho-tody, noho ilay RAFITRA FOKONOLONA tena nanohintohana ny rafitra sosialisma tamin'izany, indrindra moa ny demokasia Tandrefana. Nanembatsembana ny fihinanan'ny voanjo sy ireo mpiara-dia aminy, izay efa teo foana, dia tsy iza fa ireo namadika tanindrazana, nanolotra ny Madagasikara ho zanan-tany. Vokany 65 aty aoriana Firenena mahantra sy maloto indrindra erän-tany isika (1). 

Manana manam-pahaizana isika, andronareo tanora teraka aty amin'ny manodidina ny taona 2000 izao, hialao lavitra ireo mpanao politika teo aloha fa efa tsy nahavita. Ampisehoy fa tompon'ity firenena ity ianareo 

Amen be. 

(1) VATOEKA: https://www.persee.fr/doc/autog_0338-7259_1977_num_39_1_125