... androany aho raha mahita ny fankahalana an-dRavatomanga dia nisy hevitra nitsiry hitako oe mifandraika tsara.Izao tolona izao zany dia mbola tandindon'ny tolona 1972 mba tsy hitenenako oe ny eo ihany no averinareo ankizy, io moa ilay hira amin'ny tolona eny amin'ny 13 mai manamafy izany: adi-tsaranga, mpitsetsitra ny harenam-pirenena, manao ampihimamba ny fitondrana, mpangala-bato amin'ny fifidianana, ireo aloha no singaniko fa marobe no ny teo ihany no miverina.
... Zao ilay izy, ny anay tamin'izany dia vokatry ny vondrona roa teto an-tany dia ny Kapitalista sy Sosialista. Aty amin'ny andronareo dia voamarina fa revin-gadra ilay Sosialista satria ny sinoa moa dia nivadika amin'ny fiarian-karena Kapitalista amin'ny fomba nahamety an-ndry zareo.Amiko sao dia ny fijery azy dia misy hevitra miverin-dalana makany satria ilay demokasia nadika vilana tamin'ny tandrefana tsy azontsika, ary ny tena marina dia tsy mety amin'ny Soatoavina malagasy no nahatonga izao fahantrana lalina efa 65 taona izao.
... Azavaiko: ireny niainantsika tamin'ny Rajoelina ireny mihitsy no Demokrasia tandrefana tena ara-bakiteny. Tain'alika ka ny avo ihany no tohizana,ny millionnaires indray no nomena millions hijery baolina any Kenya. Izay manam-bola no anaovana buildings. Ny mpanankarena no nanaovana villa mifefy miaraka amin'ny gardiens sy ny alikany. Ny mpitondra migalabona amin'ny fananam-panjakana. Eo amin'ny fara-tampony, nomena an-dRajoelina ny toeran'ny MPAJAKA dia ny voninahitra sy harena ary nolazainy fa hanatanterahana ny teti-kasany. Ny niafarany dia lazainy fa vola avy any amin'izy mivady ny volam-panjakana hanampiany vahoaka. Io sarisary io ihany zao any USA ka mahatonga fitokonana goavana manao oe" miala le Roi Trump". Any France miha mahantra ny vahoaka madinika ka ilay Premier Ministre no avadibadika eo, ny vahiny no mahazo loza. Izay lany eo dia manao izay sai-patany eo aloha, izay no atao oe DÉMOCRATIE.
... Ravatomanga eto Madagasikara no sary atao amin'izany oe fihariana " Trust des sociétés capitalistes" izany. Ny vola no mitady ny vola,tsy misy fetra ny heriny, satria rehefa mitombo izy dia mivelatra arak'izay koa ny fahefany. Toa ny tadio ny harena ka pahony, ateliny daholo izay mifanehatra aminy. Miteraka tomany sy fahantrana lalina. "Une autre source du trust pourrait être le monopole naturel (soit une entreprise dont les coûts unitaires sont décroissants relativement à ses parts de marché), l'entreprise initialement dominante peut ainsi imposer un prix inférieur à celui de ses concurrents tout en restant rentable, ainsi cette entreprise gagne naturellement et légalement des parts de marché jusqu'à devenir un trust au détriment des consommateurs".
...Zay ilay izy , normal misy entreprises marobe potika, olona voadona mafy satria ilay firenena mahantra dia mahantra, ary ao anatin'io fahantrana io mintsy no mampivelatra ny mpanankarena. Voaporofo izany tamin'ny kirizy rehetra nandalo teto ambonin'ny tany, 1929, ireo ady lehibe sns... Ny loza dia afaka mampiodina ilay firenena i Ravatomanga sy ny forongony ka tsy ny tenan-dRajoelina ihany no baikony fa ilay firenena no zaraina amin'izy ireo avy amin'ny alalan'ny fizarana Ministeram-panjakana isan-tsokajiny,vokany maro no nanan-karena,ka hanao valifaty ny tsy mba nisaosy tao.
... Dia ahoana potehana indray ve ity FIRENENA ity, fa misy gasy manankarena? Tsy ny socialistes intsony eto no mibaiko fa intelligence artificielle (IA), manao kajikajy oe tsy mety izany fizarana ny harena eto amboni'ny tany izany... I Nigeria aloha zao tsy mamotika ny azy, Aliko Dangote Nigeriana, mpanakarena indrindra eto Afrika manana 13,90 millards de dollars, 2023 niakatra hatramin'ny 20 milliards.
Ny PIB ntsika 16 milliards de dollars, 68 % n'io andohavana ny karaman-pajakana, nefa etsy an-daniny amin'izao grève etsy sy eroa izao, mitady fiasondrota-karama no mibahana, ataovy miaramila daholo ny zatovo lahy rehetra nanao fanompoana.
Namotika isika tamin'ny 1972, na vazaha aza no maro potika, etsy an-daniny isika mbola mahantra ihany hatramin'izao.
Dia ozy nareo oe isika manana harena ankibo'ny tany sy amboniny tany; oh leretsy à ! Nga misioka tokana dia tonga harena ireny. Ny azo antoka aloha dia tsy hisitraka izany intsony aho e!
... Tsy manana valiny aho fa avelao anao ny asany ny mpitsara mahay ny lalàna momba an-dRavatomanga sy izay eritreretina ho toa azy. Ndao hanangana fiarahamonina vaovao tena malagasy, mifantoka amin'ny LALAMPANORENANA mifototra amin'ny FIHAVANANA, miainga any am-potony ny fahefana rehetra dia ny FOKONOLONA. Etsy andaniny dia mametraka lalam-pifidianana madio, eken'ny rehetra, mba hafahan'ny izay te hilatsaka hitovy hery ara-bola sy fahefana. Efa ekentsika io fitondrana makany amin'izany tanjona izany io, koa aoka hifantoka amin'izany tanjona izany ity farany fa tsy ho hampiasain'ny sasany ho fitaovana hanaovana valifaty fotsiny.
... Hoy ROLLY MERCIA, ndao hanangana fitsarana mahatoky hitsara an'i Ravatomanga sy ny foronginy dia izay hita eo. Ity farany ity aloha raha ny resaka nataony tamin'ny mpanao gazety dia mety mba ho Nelson MENDELA malagasy e! Eo anoloanan'ny fankahalana hatrany amin'ny tsinaimaintin'ny "choux-fleurs".
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire