Efa ho 50 taona izao no mbola mahantra ihany. Mety tsy mipetraka tsara ny fanontaniana apetratsika, na mety tsy mifanaraka amin’ny zavatra omena ny tena ilain’ny vahoaka.
Rehefa nandeha tany ambanivohitra aho, dia hitako fa tena lavitra amin’izy ireo ny fijerintsika. Nandeha 4x4 aho, nefa baolina kitra 4 fotsiny no notadiavin’ny tanora tao Andranonanahary. Niverina fanindroany aho, nitondra omby ho amin’ny famadihana, nefa nangalarina ny hena, ary ary nisy nanao latsak'alina koa ny lasantsy nampandeha ny groupe électrogène.
Noho izany, mila apetraka tsara ny fanontaniana: inona marina no tian’ireo olona ireo? Tsy lalana akory, tsy rano aza.
Amiko, tsy tena mitombina ny fandrefesana fahantrana eran-tany. Tsy voatery hoe mila 1€ isan’andro vao velona sy sambatra. Raha mipetraka any ambanivohitra ka mahazo 1€ isan’andro, dia efa be izany. Koa ndao ovaina ny fomba: omeo 100€ ny fokontany iray, dia avelao izy ireo hifampizara sy hitantana izany, mety handeha tsara ny fampandrosoana.
Fehiny: tsy mitovy mihitsy ny zavatra tadiavin’ny olona any ambanivohitra sy ny fijerintsika avy any ivelany. Raha manome akanjo sy kiraro, dia tokony hofidiana tsara izay tena mila izany.
Manana association manana traikefa amin’izany izahay, raha ilaina ny fanampiana.
Misaotra tompoko.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire