vendredi, avril 17, 2026

🔥 TSY MIOVA NY RAFITRA. TSY MIOVA NY LALAO.

 🔥 NY EO IHANY NO EO.

Mbola averina indray ilay tantara efa fantatra: fifandimbiasana, fizarazarana, “mamadika palitao”, ary fiverenana amin’ny sehatra politika amin’ny anaran’ny “fanavotam-pirenena”.

TIM.SITENY...CHOUX-FLEURS
Elatra mirodana anatiny, saingy rehefa misy tombontsoa iombonana dia miara-milaza hoe “consensuelle” sy “inclusive”.

❗ FA IZA NO NITENY HOE "FITAKIANA IRAY"?
❗ IZA NO MILAZA HOE FIRAISANKINA?

Raha tsy mahavita mirindra ao aminy izy ireo, ahoana no hitakiany firaisam-pirenena?

👉 Ny marina: rafitra efa lany andro no averina amboarina amin’ny endrika vaovao.
👉 Ny marina: ireo efa teo, tsy nahavaha krizy, no mbola averina am-pitenenana hoe “vahaolana”.

⚠️ TSY MANAIKY INTSONY NY VAHOAKA, 

⚠️ FANAVAOZANA NY VOKANY MITOVY IHANY.

Tsy jamba ny vahoaka. Tsy adala ny tantara.

💥 FOTOANA IZAO: TSY FIOMANANA INTSONY, FA FISAFIDIANANA LALANA MARINA.

🏴‍☠️… Eo indrindra isika izao: tsy hoe manenjika olona iray — tsy i Rajoelina sy ny manodidina azy no kendrena — fa ny fanovana ny rafitra (système) mihitsy no tokony atao.

Ilaina olona mavitrika, tia tanindrazana, madio tanana, tsy manaiky kolikoly, ary indrindra tsy mamerina ny fomba fanao taloha, indrindra ilay fananganana vondrona mihidy te-hanapaka sy hanana ampihimamba ny fahefam-panjakana (capture d’État), izay arovan’ny tambajotra misy azy.

Hita izany tamin’ilay governemanta voalohany, toa mbola mitovy ihany izany ankehitriny,  ka tokony hanitsy sy hanova fomba fiasa ny governemanta.

👁️ Lalana tokana, tsy misy fanilikilihana:  mankany amin’ny firaisankinam-pirenena, izay andraisan’ny olom-pirenena tsirairay anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.

# Tsy Miverina Intsony
# Fanovana Marina
# Vahoaka Mifoha

Aucun commentaire: