lundi, décembre 07, 2009

Affaire des bois de rose comme source de blocage (suite)

Serasera Message 34751
salut
Ny ahy aloha dia tsy mirehana @ olona mpitondra aho na iza na iza fa foto-kevitra faritan'ny tantara ny ahy no jereko.
Hatramin'ny voalohany aho no efa niteny fa tsy mila mandeha any Maputo izany fa tsy izao farany FIZARANA SEZA izao akory.Mpanao POLIFIKA ts'isy ilana azy daholo, raha tsy oe avadika angaha ny resaka dia ny vahoaka no ts'isy ilana azy. Efa nalohantsika daholo ireo olona ireo Deba, Zafy, Ra8 (arrêter avec votre LEGALISME pour Ra8...ny tenanay dia lehibe t@ fifidianana rehetra teto Dago Tsiranana ka hatramin'ny Ra8, fa mbola tsy niova irain-jia ny fomba ratsy fanao eto, ilay olona fidina no miova fa ny mpandrindra ao am-badika ao ny eo ihany no eo, teknisiana isan-tsokajiny, izay no tsy hifanaran'iz'reo, hanao fitaovana ny mpiasam-bahoaka).
Tsotra, fomba fijery afrikana no nampiditra ity chef de file 4 mouvences ity rehefa tsy nahay nifanaraka isika. Chef de guerre any Afrika no nentiny hamahana ny olana satria tena manam-pahefana tokoa ireny chef ireny any aminy. Eto madagasikara dia lakalaka ny fitondrana (1972, Tsiranana vao voafidy 90% dia voatsoka, 1991 Deba ohatraohatran'izay, 2009 DADA mbola ambany noho izany aza, izao i Andry makany makany koa). Dia ahoana ary inona no atao??
Fehiny, dakao any daholo ireo efa maimbo ireo, avelao ny tanora no hanagana ny ho aviny, raha te mbola andeha @ izao fomba masiso sy famingaminganana izao izy dia azy ny azy. Lele, soyez franc, ry Manandafy ve no hampidirina, maninona no tsy elefa ao koa i Andriamanjato Richard, putain...avadiho ny tantara e!
Amiko dia haveriko indray fa dia miara-mionona @ izay very asa sy hiaran'izao krizy izao mivantana aho, ireo fianakavinako manontolo ao anatin'izany, raha te handroso dia tsy maintsy misy krizy (cause à effet). Raha tsy oe mbola mahafinaritra ihany angaha, @ izao tany mazava be izao, ka mbola hitohy foana ny tsy matimanota, mivelona @ volam-panjakana, hatsemboham-bahoaka. Faraparany izay moa dia tsy mahazo miteny mafy raha MITSIKERA an'i DADA fa sao migadra, tsy fangalaram-bato @ fifidianana no nisy fa hampifamadihana tsotra izao ny vato...Ao anaty krizy akory tsy hisy fandrosoana fa farafaharatsiny mihanahana eo.
Ny omby anefa tsy indray mandry fa dia na @ andanininy, TGV, na ny ankilany zanaky Dada dia maro no tsy tia fiovana fa ho very SAOSY sy SEZA, vao maika moa ireo pijapy machine rehetra izao.
Mahereza daholo, ho tonga anie ny FAHATSIAROVAN-TENA, ka handalina ny maha malagasy miainga @ FIHAVANANA mba tsy hiady SEZA.
A+

Aucun commentaire: